Toe-karena

Banky iraisam-pirenena: ny sosialy no tena hanampiany an’i Madagasikara

Anisan’ny firenena mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara, raha ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Miaina anaty fahantrana lalina ny 81 % ny Malagasy. Vao mainka mahantra i Madagasikara noho ny aretina Covid-19. Nanafoana ny harena efa azo nandritra ny taona maro izany. Nambaran’ny Banky iraisam-pirenena, latsaka anaty fahantrana lalina ny 81 […]

« Iles Vanilles » : mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny 2028

Mivondrona ao anatin’ny fikambanana antsoina hoe « Iles Vanilles » ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Madagasikara, La Réunion, Maurice, Sey­chelles, Comores, Mayotte). Nanao fivoriambe ampitain-davitra (visioconférence) ny mpikambana, ny herinandro lasa teo, nitatitra ny zava-bita 2022 sy ny hatao ny 2023. Natao ny fifamindram-pahefana izay i Madagasikara in­dray no hitarika azy […]

Atsimo Andrefana: manan-danja ara-toekarena sy ara-tsosialy ny Base Toliara

Tsy voalohany ny fanairan’ ny kaominina Tsianisiha ny fanjakana handray fanapahan-kevitra hanokafan’ny filoham-pirenena indray ny Base To-liara. Nivory izy ireo ny herinandro lasa teo, niaraka tamin’ ny ben’ny Tanàna, Rakoto­mavo Doody Jummerman. Ho azy ireo, zava-dehibe ny lanja ara-toekarena entiny, toa ny famoronana asa, ny hetra sy ny tamberim-bidy, ny […]

« MVola Epargne » : niakatra ho 4% ny tahan’ny fitahirizam-bola

Anisan’ny voalohany ! Nosantarina ny taona 2017 ny tolotra «MVola Epargne», fitahirizam-bola amin’ny finday, tamin’ny taha 2% isan-taona. Azo atao ny mitahiry vola hatramin’ny 100 tapitrisa Ar nanomboka ny taona 2022. Ankehitriny, niakatra ho 4% isan-taona ny tahan’ny vola tahirizina ao amin’ny «MVola Epargne», izay taha ambony indrindra eo amin’ny […]