Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona frantsay, Gérard Larcher, tany Paris, ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS) malagasy, Razafimahefa Herimanana, ny 5 avrily teo. Nifantoka tamin’ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta ny fihaonana. Navoitran’ny PS, Razafimahefa Herimanana, fa manan-danja ny fifandraisana manan-tantara amin’i Frantsa, izay nanohana hatrany an’i Madagasikara, na tao anatin’ny fotoan-tsarotra […]
Toe-karena
Nitotongana ny tsena : tafidina 22.000 dolara/t ny vidin’ny nikela
Miantraika any amin’ny vidin’ny vy sy ny manodidina azy ny krizy ara-toekarena maneran-tany, ka isan’izany ny nikela. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famokarana maneran-tany, taorian’ny krizy Covid- 19 no anisan’ny antony. Araka ny tsena iraisam-pirenen’ny metaly any Londres Angeletera (LME), tafidina 22.000 dolara ny vidin’ny nikela iray taonina ny faran’ny […]
Egypta-Madagasikara : vahaolana amin’ny rano any Atsimo
Nihaona tamin’ny minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Ravokatra Fidiniavo, omaly, ny masoivohon’ny Repoblika Arabon’i Egypta, Rtoa Rabab Abdelhadi. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa efa nisy hatrizay eo amin’i Madagasikara sy i Egypta. Nambaran-dRtoa ambasadaoro fa maromaro ireo sehatra izay ahafahan’ny roa tonta miara-miasa, toy ny tetikasa andrana […]
Famokarana provandy : mahaleo tena ny kaoperativa Fanamby
“Machine presse” manasaraka ny menaka ao anaty soja mahazaka hatrany amin’ny 25 kva. Milina fanjairana kitapo asiana ireo vokatra. Ireo ny fitaovana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana tamin’ny alalan’ny tetikasa “Casef” nomena ny kaoperativa Fanamby ao amin’ny kaominina Soanindrariny, faritra Vakinankaratra. Ankehitriny, afaka mividy katsaka sy soja any […]
Lavanila : hohalalahana tanteraka ny vidiny
Taorian’ireo hetsika nataon’ireo mpandraharaha lavanila tao Antalaha, ny herinandro lasa teo, tonga tany an-toerana, ny alatsinainy teo, ny minisitry ny Indostria, Razafindravahy Edgard. Nihaona tamin’ireo mpandraraha ho tohin’ny fihaonana ny herinandro teto an-drenivohitra izy. Nandritra izay, nikaondoha niaraka ireo mpandraharaha hamahana ny olan’ny lavanila. Tapaka tamin’izay fa hohalalahana tanteraka ny […]





