Anisan’ireo nisitraka fotodrafitrasa avy amin’ny Fondation Orange ny any Ambatomanjaka, any Itasy. Efa tafiditra amin’ny antsoina hoe “Village Orange” rahateo ny any an-toerana, nanomboka ny taona 2014. Anisan’izany ny tobim-pahasalamana CSB II natokana ho an’ireo antsoina hoe “Maman Kangourou”. Notokanana, omaly izany fotodrafitrasa izany. Niatrika izany tany an-toerana ny filohan’ny […]
Toe-karena
ANKORONDRANO : olona sahirana 100 nomena fanampiana
Mahatratra 100 mahery ireo olona nahazo fanampiana ara-tsosialy avy amin’ny departemanta sosialy eo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Olona sahirana ara-pivelomana notsongaina tamin’ny mpino eo anivon’ny fiangonana izy ireo, hoy ny tompon’andraikitra. Nahazo vary, menaka, sira, paty ary akanjo avokoa izy ireo. «Tanjon’ny hetsika ny hanasoavana […]
Fanondranan’olona : tsy manana rafitra mahomby ny fanjakana
Voalazan’ny tatitry ny Amerikanina fa mihena ny ezaky ny governemanta malagasy momba ny ady amin’ny fanondranana sy famarinana olona an-tsokosoko. Nambaran’io tatitra io fa tsy misy na tsy feno ny antontan-kevitra samihafa ampitain’ny governemanta malagasy momba izany tranga izany. Hatreto, tsy mbola manana rafitra mahomby ofisialy ny fanjakana malagasy hitsirihana […]
FANOMEZAN-DRA : nanefa ny adidiny ny polisy monisipaly sy mpamonjy voina
Vita ny asabotsy lasa teo ny fanadinana an-tsoratra ho an’ireo mpifaninana ho polisy monisipaly sy mpamonjy voina eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Notanterahina omaly kosa ny fizaham-pahasalamana sy fakana ra azy ireo teny amin’ny tobin’ny vondrona polisy monisipaly Anosipatrana. «Tsy maintsy miatrika fizaham-pahasalamana avokoa ny mpifaninana tsirairay mialoha ny fivoahan’ny […]
Jirama -Toamasina: mahazo vahana indray ny delestazy
Herinandro maninjitra izay, manomboka miverina indray ny fahatapatapahan’ny herinaratra eto Toamasina. Ary ny herinandro lasa teo, andron’ny alarobia, alakamisy sy zoma dia tapaka hatramin’ny rano. Raha iverenana ny fahatapahan’ny herinaratra, tsy mifidy ora izany ary tapaka iray manontolo ny amin’ny renivohitry ny toekarenan’ i Madagasikara, tapaka ny alina, mitohy ny […]




