Toe-karena

Maevatanana : Sinoa miisa telo nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tany Marokoro

Maro ny fitrandrahana gaboraraka ny harena ambanin’ny tany eto amintsika. Manamarina izany ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna any Maevatanana, nahatraran’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany mpitrandraka vahiny tao amin’ny reniranon’i Kamoro, any amin’ny kaominina Marokoro. Nidina ifotony tany amin’ny faritra Be­tsiboka ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny […]

Simba ny any Mandraka : tapatapaka ny herinaratry ny Jirama

Tapatapaka ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo Renivohitra, tato ho ato. Araka ny fanambaran’ny Ji­rama, tsy tomombana ny milina mpamokatra herinaratra efatra any Mandraka. Nitarika ny filatsahan’ny vata mpanova herinaratra (transformateur) TR7 sy TR8 ao Ambo­himanambola izany. Vokany, tsy ampy ny tanjaky ny herinaratra vatsiana ao amin’ny Tambajotra iraisan’Antana­narivo (RIA). Talohan’izany, […]

Fampandrosoana : fitakiana hanaovana ho distrika an’Imady

Manana fikambanana ny terak’Imady monina eny Ambohipo. Mitsinjo hatrany ny hisian’ny fampandrosoana any amin’ity toerana nihaviany ity izy ireo. Nanao fihaonambe ny mpikambana ny alahady 19 marsa teo, teny Ambolokandrina. Isan’ny ni­voitra ny fangatahana amin’ny fanjakana ny hanaovana an’Imady ho distrika izay mbola kaominina hatramin’izao ao anatin’ny faritra Amoron’i Mania. […]

Faritra Atsinanana: nirefy 120 km ny làlana vaovao novakiana

Feno telo taona ny 17 marsa teo ny naha governoran’ny faritra Atsinanana, an-dRafidison Richard. Nitatitra ny zava-bitany ny tenany, teo amin’ny lafiny toekarena, ny sosialy sns, ka isan’izany ny fanaovan-dalana. Nahatratra 2 miliara Ar isan-taona ny fampiasam-bolan’ny faritra Atsinanana, notarihin’ny go­vernora Rafidison Richard. Isan’ny goavana nampiasana azy ny fananganana fotodrafitrasa, […]