Toe-karena

Fanamboaran-dalana : atomboka eny amin’ny Agosthino Neto Isotry

Atomboka eny Isotry ny fanamboarana ny lalana simba rehetra eto Antananarivo ma­nomboka androany. Tapaka, noho izany, ny lalana Agos­thino Neto Isotry ka hatrany amin’ny Aigle noir. Tapaka tanteraka, araka izany, ny la­lana eo amin’io faritra io mandra-pahavitan’ny asa, araka ny fampitam-baovaon’ny fiadidian’ny tanànan’An­tana­narivo. Efa misy ny lamina napetraky ny tomponandraikitra […]

Montsana ny vidiny ambony indrindra : tafakatra 4.000 Ar ny kilaon’ny vary gasy

Araka ny notaterina teto omaly, nahatratra 11,5 % ny fidangan’ny vidim- piainana, ny janoary 2023 teo, araka ny tatitry ny FMI. Voaporofo sady mitohy izany ankehitriny, satria tsy mitsaha-mitombo isan’andro ny vidim-bary eto amintsika. Taitra ny rehetra ! Tsy mitsaha-mitombo ny vidim-bary eto an-toerana. Tafakatra 4.000 Ar ny kilaon’ny vary gasy […]

FMI : niakatra 11,5% ny vidim-piainana

Nilaza ny solontenan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), Mokhtar Benlamine, ny alatsinainy teo, fa niakatra ho 11,5% ny fidangan’ny vidim-piainana eto Madaga­sikara ny janoary 2023, raha 10,8% ny desambra 2022. Nambarany fa, anton-javatra maro no mahatonga izany, toy ny fiantraikan’ny ady any Ukraine amin’ny lafiny toekarena maneran-tany. Niakatra ny vidin-javatra ankapobeny eo […]

Trafikana zavamananaina : maherin’ny 30.000 ny sokatra tratra naondrana antsokosoko

Manao tatitra isaky ny roa taona ny fikambanana iraisam- pirenena miaro ny tontolo iainana, WWF, mikasika ny tontolon’ny biby sy ny zavamaniry dia. Voalaza fa tsy mitsahatra ny miha ratsy ny zava-misy maneran-tany. Nosinganin’ny WWF fa mirongatra ny trafika, ka isan’izany ny karazan-tsokatra sokake (Astrochelys ra­diata) eto Madagasikara sy maneran-tany. […]

Tontolo iainana : efa hatramin’ny andron’ny fahampanjaka ny fiarovana ny ala

Efa tamin’ny andron’ny mpanjaka Andrianampoinimerina (1787-1810) no nampiharina voalohany teto Madagasikara ny poilitika momba ny fitantanana ny ala, indrindra ny fandrarana ny afo.Tsy mitsahatra mitatitra vaovao momba izany ny mpanao gazety misahana ny tontolo iainana (AJE). Tsy azo ataotao foana ny fikapana ala toy ny hanaovana trano, ary tsy karazan-kazo […]