Toe-karena

Instat- « Saps » : latsakemboka 1 miliara Ariary mahery tsy voaloa

Mandalo fahasahiranana ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa na ny Instat. Tsy voaefan’izy ireo ny trosan’ny Cnaps, mitentina 1 miliara sy 200 tapitrisa ariary. Anisan’ny noresahana io, nandritra ny fivoriambe izay nataon’ny sendikan’ny mpiasa rehetra eo amin’ny Instat (Saps), teny Anosy, omaly. Tsiahivina fa tsy voaloan’ny Instat ny latsakemboka Cnaps nanomboka […]

Tetikasa OBS-Mada : tanora 10.000 nitondra fiovana

Antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny tsy fananan’ny tanora asa. Napetraka ny tetikasa OBS-Mada, mikendry ny tanora hanamafy ny fahaiza-mitarika, mba ho lasa mpivoy filaminana eny amin’ny fiarahamonina. Manohana ara-bola azy ny Tahirimbolan’ny firenena Mikambana hanamafisana orina ny fandriampahalemana (PBF), eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny Fanatan­jahatena sy ny tanora, tantanan’ny Pnud […]

Tobim-panafody : nolanian’ny loholona ny lalàna Voninahitsy

Nolanian’ireo loholona tsy nasiam-panintsiana, omaly, ny volavolan-dalàna 003-2021, mikasika ny fahasalamana natolotry ny solombavambahoaka ,Voninahitsy Jean Eu­gène. Isan’ny voarakitra ao ny asan’ny tobim- panafody (dépôts de médicaments). Na­siam-panovana amin’ny alalan’ity volavolan-dalàna ity ny andalana faha-4 sy faha-5 ary faha-6, ao amin’ny andininy faha-202. Milaza mantsy ireo lalàna ireo ny tokony hialan’ny […]

Tranoben’ny tantsaha mpamokatra : antenaina ny fanohanan’ny minisitera masomboly sy fitaovana

Nanao ny fivoriambeny ny mpikambana ao anatin’ny filankevim-pitantanan’ny Tra­no­ben’ny tantsaha mpamokatra (TTM), ny 12 sy ny 13 desambra 2022 teo, teto An­tananarivo. Tafditra tao anatin’ny lahadinika noresahana ny mikasika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra ny mahazo ny tantsaha mpamokatra. Isan’izany ny firotsahan’ny havandra tany amin’ny distrikan’i Faratsiho, faritra Vakinankaratra, ny […]

Tetikasa PPAB 3 : hanatsara ny toeram-ponenana tsizarizary

Miaina anaty trano fonenana tsizarizary ny fokontany miisa 134 amin’ireo 192 eto Antananarivo Renivohitra. Misy ny Fandaharanasa fanamafisana ny toeram-ponenana tsizarizary andiany fahatelo (PPAB 3), natao tamin’ny fokontany efatra, ny eny Ma­narintsoa afovoany sy Atsi­nanana, Manarintsoa Anati­hazo ary Andavamamba Anatihazo I. Natao, omaly, ny atrikasa hanamafisana ny PPAB 3. Nanatontosa […]