Toe-karena

Fampandrosoana : tombanana ny mahakasika ny fiainam-bahoaka

Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, ny politika ankapobeny momba ny fampandrosoana nosoritan’ny governemanta hanaovana tombana. Ma­nohana izany tombanezaka izany ny Unicef, Pnud, Clear*, ka nanofana mpanao tombana 51 avy amina sehatra samihafa, izay notolorana mari-pankasitrahana noho ny fahavitana fiofanana. Mari-pankasitrahana ankatoavina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra natao […]

Tetikasa PAAEP : olona 3.423.000 hahazo rano fisotro

Nisokatra, omaly, ny atrikasa mikasika ny tetikasa Fanatsarana ny rano fisotro madio (PAAEP). Nitarika iza­ny ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidi­niavo, notronin’ny tompon’andraikitry ny Banky iraisam-pirenena (BM), miasa eto amintsika, Rtoa Uwanyiligira Marie-Chantal. Teo koa ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy ny avy any amin’ny farita. Tohin’ny […]

Fampandraharahana ny tanora : hiara-kiasa ny CT Motors sy ny Banky Baobab

Hanome sehatra ny tanora tsy an’asa, tontosa tetsy Andraharo, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny orinasa CT Motors sy ny banky Baobab Madagasikara mahakasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampindramam-bola ho an’ny mpanjifa, omaly. Hahazo tombontsoa amin’izany ireo ma­niry hividy fitaovam-pitaterana ao amin’ny orinasa CT Motors satria afaka mindram-bola mivantana amin’ny Baobab. “Nosantarina […]

«Caméra de surveillance » 1 200 : hamaha ny olan’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra

Tafiditra tanteraka amin’ny fampandrosoana anatin’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra sy ny fifandraisan-davitra ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Hanara-maso ireo zava-mitranga amin’ireo toerana 300 ireo « caméra » napetraka manomboka izao. Miroso anatin’ny fampivoarana ara-kajy mirindra toy ny tanàn-dehibe any ivelany, miisa 1.200 ireo «caméra» tafapetraka eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. […]

Jirama : mpitantana anjatony vaovao notendrena

Nanova rafitra ny orinasa Jirama, taorian’ny tombana nataon’ny minisiteran’ny An­go­vo sy ny akoranafo, tamin’ ireo tale maherin’ny 40, ny faran’ny volana novambra teo. Namoaka lisitra tompon’andraikitra ambony vaovao, manodidina ny 100 ny filankevi-pitantanana, ny talata 13 desambra teo. Mandimby ireo tompon’andraikitra ambony voarohirohy amin’ny raharaha eny amin’ny rafi-pitsarana miady amin’ny […]