Vita, omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitra teo aloha, nisahana ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), Ranjatoelina Rolland, sy ny mpandimby azy, Ramonjavelo Valéry. Nohamafisin’ity farany fa ho jereny akaiky ireo seha-pitaterana manan-danja rehetra, mifanaraka amin’ny vinan’ ny filoham-pirenena. Isan’izany ny fitaovana entina hanatsarana ny foibe famantarana ny […]
Toe-karena
Zara raha fantatra i Maintirano
Anisan’ny seranan-tsambo, sokajy PIR i Maintirano, any amin’ny tapany andrefan’i Madagasikara. Distrika iray ao amin’ny faritra Melaky, zara raha fantatra ny momba azy. Tokony ho 600 km avy eto an-dRenivohitra, ka hatreo Tsiroanomandidy no 200 km, vita tara. Manomboka eo Tsiroanomandidy hatrany Maintirano, tsy azo aleha noho ny asan-dahalo sy […]
Filoha Rajoelina : « Vahaolana ny angovo azo havaozina »
Nahitsy ny filoha ! « Manodidina ny 1.300 miliara Ar isan-taona ny trosa tsy voaloan’ny Jirama », hoy ny filoha Rajoelina, omaly, teny Iavoloha, nandritra ny filankevitry ny minisitra. Notsoriny, fa tsy voatery hanampy ara-bola ny Jirama foana ny fanjakana, fa tsy maintsy handray fanapahan-kevitra mikaroka vahaolana. Isan’ny vahaolana nomeny ho an’ny Jirama […]
Mahajanga : tsy misy fikarakarana nandritra ny taona maro ny seranan-tsambo
Misy seranan-tsambo 17 samihafa eto Madagasikara. Sokajy voalohany, ho tombontsoam-pirenena (PIN)* sy sokajy faharoa, ho tombontsoan’ny faritra (PIR)*. Anisan’ny ny seranan-tsambo sokajy PIN i Mahajanga. Maro amin’ireo seranana ireo mihasimba, tsy araka ny maha Nosy an’i Madagasikara, Seranan-tsambo anisan’ny lehibe sy matanjaka ny ao Mahajanga, hatramin’ny andron’ny fanjanahantany, repoblika voalohany […]
Minisiteran’ny Toekarena : atrikasa fampitoviana ny fanaraha-maso ny tsenam-panjakana
Nisy atrikasa nataon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, momba ny Tolotra atao eo amin’ny tsenam-panjakana (Marché public) nanomboka ny 20 hatramin’ny anio 22 febroary 2023 teto Antananarivo. Atrikasa mandritra ny telo andro ho fanofanana ara-teknika ireo mpikambana ao amin’ny Komitim-pirenena momba ny tsena (Commision Nationale des Marchés) Fanofanana ara-teknika mifantoka […]





