Mamita iraka ofisialy atsy amin’ny Nosy La Réunion ny filohan’ny Antenimiera-doholona, Razafimahefa Herimanana nanomboka ny 19 febroary teo. Miara-dia aminy ny loholona Eddie Serge Fernand sy ny kestiora Manasoa Donat Tang. Maro ny fihaonana sy ny fivoriana ataon’iz6y ireo miaraka amin’ny faritra La Réunion, hikarohana ny fiaraha-miasa azo atao eo […]
Toe-karena
Usaid- ONE : hampiasain’ ny Hay Natiora ny fitaovan’ny Hay Tao
Natao, omaly, ny fanomezan’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana (Usaid), fitaovana samihafa ho an’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE). Nampiasaina tamin’ny tetikasa Hay Tao, izay efa tapitra ny fe-potoam-piasana ireo fitaovana ireo, ahitana kojakoja birao (latabatra, seza, sns), fitaovana informatika (ordinatera, écran plat, projetcteurs, sns). Fa ny tena zava-dehibe […]
Minisitra Andriamanampisoa Soloniaina: hapetraka ny foibe herinaratra 36 avy amin’ny masoandro
Natao, omaly teny Ampandrianomby, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Angovo sy akoranafo Andriamanampisoa Soloniaina Rasamoelina, vao notendrena, handimby an-dRamaroson Andry. Nitanisa ny fanambiny ny minisitra vaovao. Nilaza ny minisitry ny Angovo teo aloha, Ramaroson Andry, fa misy ny fotoana fanombohana, ary tsy maintsy misy ny fiafarany. Koa, nahafaly azy […]
Fiavian’ny rivodoza Freddy: miomana amin’ny famatsiana ny minisitera
Miomana amin’ny fiavian’ ny rivodoza Freddy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC). Halefa any amin’ny faritra samihafa dieny izao ny Vary Tsinjo hitsinjovana ny mety ho fahasarotana amin’ny famatsiana noho ny andro ratsy na mety ho fahatapahan’ny lalana. Niainga teto Antananarivo tamin’ny 19 febroary 2023 […]
Instat – sendikan’ny mpiasa: “Apetraho haingana ny tale jeneraly raikitra”
Niresaka tamin’ny mpanao gazety teny Anosy ireo mpiasa eo anivon’ny Instat, omaly. Tsy misy tale jeneraly ny ity sampandraharaha ity hatramin’izao. “Nanomboka ny volana desambra lasa teo izany ka tsy mihodina ara-dalàna ny asa”, hoy ny ny tale jeneralin’ny sendikan’ny mpiasa birao eo anivon’ny Instat, Andrianirina. “Takinay ny hametrahan’ny fanjakana […]





