« Tsy fahombiazana ny COP 27 natao tany Charm el-Cheikh, Egypta ny herinandro lasa teo”, hoy ny WWF. Nofaritana ny hoe hapetraka ho tahiry ny takalon’ny manimba ny tontolo iainana, saingy tsy tonga amin’ny ilàna azy ny vola heverina hampiasana hampihena ny hafanàna sy ny fiantraikany. Mety ho tahiry lasa fiafaran’izao […]
Toe-karena
Tetibolam-panjakana 2023: hiatrehana ny fiakaran’ny vidim-piainana
Hanomboka anio ny asan’ny vaomieran’ny vola ao amin’ny Antenimierampirenena, ary amin’ny 25 novambra 2022 ny fivoriambe momba ny tetibolam-panjakana 2023. Hanao ny fanadihadiana izany kosa ny fiarahamonim-pirenena. Araka ny tatitry ny fanjakana, mikorontana izao tontolo izao noho ny zava-misy eto an-toerana sy maneran-tany. 4,2 % ny tahan’ny harinkarena ho an’ny […]
ODSEF sy Instat: handraisana fanapahan-kevitra ny antontanisa tsara tahiry
Nifanaraka ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, amin’ny alalan’ny Instat, ary ny « Observatoire démographique et statistique dans l’espace francophone » (ODSEF), misahana ny antontanisa anatin’ny Vondrona mampiasa sy miteny frantsay any amin’ny Oniversite Laval, Québec Kanada, ny 18 novambra, fa hiara-kiasa. Fiaraha-miasa amin’ny sampana iray manana traikefa lehibe hatramin’ny taona 1861 momba […]
WOT Award 2022: nahasarika tanora anjatony
Natolotra ireo mpandresy nandritra ny fifaninanana WOT award 2022 ny loka ho an’ireo mendrika isan-tsokanjiny avy, tetsy amin’ny IFM Analakely, afakomaly. Tanora maherin’ny 200 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana. “Mizara ny traikefa ho an’ireo tanora ahafahany mivelatra amin’ny sehatr’asa mikirakira ny teknolojia ny antom-pisian’ny fifaninanana”, hoy ny mpikambana eo anivon’ny […]
Bekily: kaominina 55 amin’ny 58, manana toeram-pivoahana ny mponina
Ny 32%-n’ny Malagasy no manana trano fivoahana na kabone, ankehitriny. Nankalazaina tany amin’ny distrika Bekily, faritra Androy, ny 19 novambra teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny trano fivoahana na kabone (JMT). Lohahevitra noraisina ny hoe : « Fanadiovana tsara tantana, madio sy maharitra ». Vina ao anatin’ny tetikasa “Madagasikara madio 2025” ny hananan’ny 90%-n’ny […]




