Tranga

Nivoraka ny tsinainy : lehilahy voatifitra teo amin’ny kibony

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana mahery vaika indray tao Belobaka, distrika Tsiroanomandidy, ny faran’ny herinandro teo. Mpianaka mitazona epi-bar no notafihin’ny jiolahy. Tsy nanaiky lembenana fa nanohitra ireo olon-dratsy ilay raim-pianakaviana ka notsatohin’ireo jiolahy antsy ny vatany sady notifirin’izy ireo. Feno dian’antsy ny lohany sy ny vatany, tapaka ny rantsan-tanany. Torana tsy […]

Kaominina Mantasoa: tratra ireo fito mianadahy nikasa hamaky fasana

Voasambotry ny zandarimaria ny olona miisa fito saika hamaky fasana tao amin’ny kaominina Mantasoa, ny 8 septambra teo. Vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Lehilahy enina sy vehi­vavy iray nosamborin’ny mpitandro filaminana noho ny fikasan-dratsy hanao vaky fasana tao amin’ny fo­kontany Lohomby, kaominina Mantasoa, distrika Manjakan­driana, ny 8 septambra teo. Nihaodihaody […]

Soarano: tsena efatra indray kilan’ny afo

Tsena efatra no kilan’ny afo teny amin’ny tranobe Ramaroson Soarano, omaly maraina. Any amin’ny rihana ambanin’ny tany no misy ity fivarotana nirehitra ity. Mivarotra momba ny kojakoja fampiasa amin’ny birao, araka ny tatitra nampitain’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, ny komandà Ralaivao Eric. Nambarany fa fikasohan’ny herinaratra no nitarika ny firehetana. […]

Hita tao anaty caméra de surveillance : mpiambina nangalatra vola tanaty coffre

Saron’ny polisy tao amin’ ny fokontany Bazarikely An­tsi­ranana, ny alahady maraina teo, rehefa nokarohina hatramin’ny sabotsy 7 septambra 2024, ny lehilahy iray nangalatra vola. Vola mitentina 65 tapitrisa Ar no nalainy tao amin’ ny orinasa niasany tamin’io fotoana io. Niafina tao amin’ny efitrano iray ao amin’ny orinasa ity tovolahy mpiambina […]

Taksiborosy nivadika : mpandeha 17 naratra

Vaky kodiarana aoriana tampoka, mpandeha miisa 17 tao anatin’ny taksiborosy niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao amin’ny PK 180+900, ny sabotsy 7 septambra teo. Mampitohy an’Ambatoboeny sy Antananarivo io taksiborosy io. Vaky tampoka ny kodiarana aoriana avy ao amin’ny ilany havanan’ny fiara, tamin’ny 4 ora maraina. Tsy voafehin’ny mpamily intsony […]