Maty an-drano tany amin’ny fokontany Andriaka, Sadabe, ny zazalahikely vao efa-taona monja, ny 22 janoary hariva teo. Variana niasa teny an-tsaha ny ray aman-dreniny, nandeha nilalao rano ilay zaza. Zazalahikely iray, vao efa-taona, maty an-drano tany amin’ny fokontany Andriaka, kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva tany ho […]
Tranga
67 Ha sy Alasora: Lehilahy telo tratra namaky trano sy nangalatra
Lehilahy miisa telo indray voasambotry ny polisim-pirenena omaly vao maraim-be. Tratra nangalatra sy namaky tranon’olona tetsy 67 Ha sy teny amin’ny kaominina Alasora izy ireo. Nahazo antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisy ao amin’ny CSP7 67 Ha, izay nanatanteraka ny hetsika: « Opération mahomby ». Tsy niandry ela fa nidina ifotony avy […]
Mandrosoa Ivato : Lehilahy iray nahatrarana rongony
Lehilahy iray tratran’ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaomisaria Ambohidratrimo nivarotra rongony tetsy Mandrosoa Ivato, ny alarobia 21 janoary, tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro. Nahazo angom-baovao avy amin’ny olon-tsotra ny polisy fa misy olona mivarotra rongony eny an-toerana sy ny manodidina. Nidina ifotony avy hatrany izy ireo, taorian’izay, ka nahafahana […]
Fanolanana zaza tsy ampy taona : Mpampianatra roa niara-naiditra vonjimaika am-ponja
Mpampianatra roa lahy, eo anivon’ny EPP sy CEG ao amin’ny faritra Amoron’i Mania, niara-naiditra vonjimaika am-ponja. Nanolana ny mpianany 10 taona ny iray, raha nanodinkodina sy nahabevohoka ny mpianany 17 taona ny iray hafa. Niakatra fampanoavana teo anivon’ny fitsarana ao Ambositra ireo mpampianatra roa lahy, ny 20 sy 21 janoary […]
Nisy nanolana tany Sadabe ! Vehivavy 50 taona hita faty tao anaty kirihitra
Hita faty tao anaty kirihatr’ala, tany amin’ny Garabe Andavabato, fokontany Ambatofisaorana, kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana, omaly maraina, tamin’ny 9 ora sy sasany, ny vehivavy lehibe iray, tokony ho 50 taona. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy io satria niharan’ny herisetra ara-batana sy ara-nofo nataon’olona tsy fantatra, raha ny fizahana nataon’ny […]




