Tranga

Voaroba ny 20 tapitrisa ariary: Tovolahy 13 taona maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny jiolahy ny tovolahy 13 taona, teny Andobo, Sabotsy Namehana. 10 lahy nanafika azy mianakavy ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Voaroba ny 20 tapitrisa Ar. Notafihan’ny jiolahy miisa 10 mahery, mirongo fitaovam-piadiana ny tokantrano iray ao Andobo, fokontany Tsarafara, kaomi­nin’i Sabotsy Namehana, disi­trikan’Antananarivo Avara­drano, ny alin’ny talata 20 […]

Moto nifandona: Olona iray maty tetsy Imerinafovoany

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Imerinafovoany, kaominina ambanivohitra Ta­la­tamaty, afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany. Niseho teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 09 + 500, teo amin’ny lalana mahitsy be anaty tanàna ny loza. Moto roa, samy nanao taingin-telo, no nifanena teo amin’ny lalana mahitsy be, raha […]

Nanendaka cash point : Lehilahy iray voasambotra tetsy Itaosy

Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Itaosy, afakomaly tamin’ny 10 ora maraina, ny lehilahy iray, 27 taona. Tratran’ny olona nanendaka mpanao cash point iray teny Antsahakely, fokontany Antsahamasina, kaominina ambanivohitra Ambohidrapeto izy io. Mody niondrika tao ambadiky ny tsenan’olona iray ity olon-dratsy ity, talohan’ny nanaovany ny asa ratsiny. Nampidiriny […]

Nikononkonona fanafihana : Enin-dahy maty voatifitry ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy teny Ambohijanaka ny jiolahy enina nikasa hanafika. Nahafahana nisoroka ny teti-dratsin’ireo olon-dratsy ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo. Lavon’ny balan’ny polisy ny alatsinainy alina hifoha talata teo ny jiolahy miisa enina, nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tetsy Ambohijanaka, distrika Antananarivo Atsimondrano. Nisy olona tsara sitrapo nampandre ny […]