Lasibatry ny fanafihana ny mpanao Cash point iray teny Ivato, omaly maraina. Vola 3 tapitrisa Ar no nalain’ireo mpanao ratsy an-keriny. Voasambotry ny fokonolona kosa ny jiolahy iray. Voasambotry ny fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy roa nandroba mpanao Cash point, teny amin’ny kaominina Ivato, omaly maraina, tamin’ny 7 ora. Mpiasa […]
Tranga
Fanafihana mitam-piadiana : Teratany sinoa voatafika sy voaroba
Mirongatra izaitsizy ny fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina ankehitriny. Teratany sinoa iray notafihan’ny jiolahy miisa dimy, tany Tanamakoa parisela 12/14, ny sabotsy alina hifoha alahady lasa teo. Voaroba tamin’izany, ny vola, ny basy ary ny finday maro. Nihanika tamboho iray mifanila-bodirindrina tamin’ny trano nokendrena, ireo olon-dratsy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo […]
Sambava : Zazakely roa hita faty tao an-tanimbary
Zaza mianadahy (telo taona sy fito volana) hita faty tany an-tanimbary tany Antanambao Antolongo, fokontany Maevatanana, kaominina ambanivohitra Ambodiampana Lokoho, Sambava, omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Tsy hita nanomboka ny zoma lasa teo izy mianadahy ary efa nokarohina nanerana ny faritra sy toerana rehetra izy ireo saingy tsy […]
Tra-tehaka teny Andoharanofotsy : Jiolahy 11 nahatrarana fiara sy zava-mahadomelina
Mitohy ny fisamborana sy famongoran’ny mpitandro filaminana ireo mpanao asa ratsy eto amin’ny Nosy. Jiolahy miisa 11 voasambotry ny zandary avy eny Andoharanofotsy ny sabotsy maraina lasa teo. Nahatrarana fiara roa sy karazana zava-mahadomelina tany amin’izy ireo. Manoloana ny trangana tsy fandriampahalemana sy asa fanendahana eny an-toerana, nifarimbona ny mpitandro […]
Fihinanana soka-dranomasina : Tafakatra dimy ireo namoy ny ainy
Tafakatra dimy ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fihinanana soka-dranomasina antsoina hoe: fano, tany amin’ ny fokontany Sahorana, fokontany Ampasimpotsy, kaominina Fenoarivo Atsinanana, hatramin’ny omaly. Raha ny fanazavana voaray, vehivavy sy ankizivavy vao enin-taona ireo namoy ny ainy ireo. Am-polony ny olona marary sy mbola manaraka fitsaboana any amin’ny […]




