Mananika ny 300 tapitrisa Ar eo ho eo ny vola azon’ireo olon-dratsy nandritra ny tranga fakana an-keriny nataon’ireo dahalo tao amin’ny distrikan’Anjozorobe sy Ankazobe, nanomboka ny fiatombohan’ny taona. Olona 26 voasambotra, omaly. “Manodidina ny 300 tapitrisa Ar ny vola azon’ny mpaka an-keriny tamin’ireo fianakaviana lasibatra nanomboka ny fiatombohan’ny taona”, hoy […]
Tranga
Mitady vehivavy virijiny : tratra ny frantsay mpanararaotra ara-nofo
Sahy mivarotra ny fahadiovana mihitsy! Natolotra ny fampanoavana ny zoma lasa teo, taorian’ny famotorana nataon’ny polisy, ny teratany frantsay iray sy ny sakaizany ka samy naiditra am-ponja eny Antanimora. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fanararaotana ara-nofo izay manana endrika fanondranana olona izy ireo. Ny talata 3 septambra 2024 izy ireo […]
Nitaky 10 tapitrisa Ar : tratra i André, mpaka an-keriny
Nosakanan’ny andian-dahalo ampolony nirongo basy tany amin’ny lalana mihazo an’i Tanandava, kaominina ambanivohitr’i Fanjakana, distrika Beroroha, ny fiara mpitatitra iray ny faran’ny herinandro teo. Nalain’izy ireo an-keriny tamin’izany ny mpamily mpanampy ka nitakian’ireo malaso vola 10 tapitrisa Ar tamin’ny fianakaviany mba ho takalon’ny famerenana azy. Nifanome tanana ny Tafika ao […]
Hetsika fampandrian-tany : rongony 180 kg nodoran’ny zandary
Nandritra ny hetsika fampandrian-tany sy ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina no nahatraran’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra notarihin’ny manamboninahitra mpandrindra ny faritra Betioky Atsimo, afakomaly, izao vokatra izao. Rongony tanaty gony miisa 12, milanja 180 kg ny fitambarany no saron’ny zandary nandritra izany. Tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Itampoko sy Androimpano, distrika […]
Raharaha Kidnapping: olona 35 karohina !
Olona miisa 35 namoahana filazam-pikarohana maika mahakasika ny fakana an-keriny. Basy mahery vaika ampolony no ifampitadiavan’ny mpitandro filaminana. Mifanome tanana eny ifotony ny polisy, ny zandary ary ny Tafika… Jiolahy miisa 35 no atao hazalambo ao amin’ny Faritra Betsiboka, Alaotra Mangoro, distrika Anjozorobe, Ankazobe, ato amin’ny Faritra Analamanga. Ahitana vehivavy […]