Tovolahy iray 29 taona hita faty nihantona tamin’ny tady, teo amin’ny hazo iray, teo amoron-dranomasina akaikin’ny Jardin d’amour, Mahajanga, omaly, tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Olona mipetraka teo amin’ny manodidina no nahita io zava-doza io ka nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany. Nampandrenesina ny sefo fokontany sy ny mpitandro filaminana. […]
Tranga
Distrikan’i Mandritsara: Mpivarotra omby hita faty
Notsatohan’ny tsy valahara tamin’ny zava-maranitra teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray mpivarotra omby tao amin’ny fokontany Anandrobato, kaominina Ambalakirajy, distrikan’i Mandritsara, omaly. Hita faty tao anatin’ny renirano Mangarahara tsy lavitry ny ivontoeram-panofanana iray ao an-toerana io lehilahy io. Nakarin’ny fokonolona an-tanety ny nofo mangatsiakany. Nidina ifotony ny mpitandro filaminana sy […]
Naolan’olona tsy fantatra: Zaza tsy nahatsiaro tena 20 andro, namoy ny ainy
Namoy ny ainy tetsy anivon’ny hopitaly HJRA, ny alatsinainy 12 janoary teo, tamin’ny 6 ora hariva, ilay zazavavy vao 5 taona monja niharan’ny fanolanana tany Tsiroanomandidy. Tsy nahatsiaro tena nandritra ny 20 andro io zaza io. Tsy tana, omaly, ny ain’ ilay zazavavy vao dimy handray enin-taona amin’ny volana febroary […]
Niharan’ny fanolanana : Zazavavy 5 taona maty teo no ho eo
Maty nandritra ny fanolanana nataon’ny tsy mataho-tody ny zazavavy vao dimy taona monja tao amin’ny kaominina Andranobolaha, distrikan’i Toamasina II, ny alin’ny alahady 11 janoary teo. Voasambotry ny fokonolona teo am-panaovana ny filan-dratsiny ny lehilahy nahavanon-doza, afakomaly. Nentin’ity lehilahy ity nihazo ny toerana mangingina ilay zazavavy vao dimy taona, fantatra […]
Rotsakorana be loatra : Tafakatra 16 ireo namoy ny ainy
Tafakatra 16 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny rotsakorana be loatra teto amin’ny Nosy, raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly atoandro. Voakasik’izany ny tao anatin’ny kaominina 14, disitrika 13, faritra miisa efatra. Olona dimy tamin’ireo maty nilatsaham-baratra tany Anjozorobe. Iray hafa maty nirodanan’ny trano tetsy Bemasoandro Itaosy, efatra nirodanan’ny […]




