Tranga

Talata Volonondry : mpamaky trano efatra naiditra am-ponja

Efa nisazy intelo tany am-ponja ny iray tamin’ireo mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny zandarimaria tao Ambaniatsimo Antampontsena, kaominina Talata Volonon­dry, ny 14 jolay teo. Mateti-pitranga ny fahavakisana trano ao an-toerana ka nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Niara-nifanome tanana tamin’izy ireo rahateo ny fokonolona izay efa leo ny hala-boty. Sarona, nandritra […]

Fanondranana antsokosoko: Sokatra 5 383 tratra tao anatin’ny fito volana

Miseholany ny tranga fihazana sy fanondranana biby arovana. Sokatra maherin’ny 5 000 no sarona nanomboka ny volana janoary teo. Mitotaly 5 383 ny isan’ny sokatra sarona na­nom­boka ny volana janoary teo hatramin’ity volana jolay 2024 ity, araka ny antontanisa navoakan’ny Turtle Survival Alliance na TSA Madagasikara, izay fikambanana tsy miankina […]

Vonoan’olona tao Mahajanga : naiditra am-ponja ireo mpiasa roa

Nidoboka am-ponja vonjimaika, omaly, rehefa avy na­tolotra ny fampanoavana ny lehilahy iray sy vehivavy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana renim-pianakaviana iray tao amin’ny Village touristique Mahajanga. Mpiasan’ity renim-pianakaviana 69 taona niharam-boina ity ihany izy roa ireto. Mipetra-drery ao amin’ny fokontany Mahavoky Atsimo izy no nidiran’ireo mpiasany an-keriny tao an-tranony […]

Ambohitrimanjaka: lehilahy iray maty an-drano

Latsaka an-drano tao ambany tetezan’Ambohitrimanjaka ny lehilahy iray, omaly maraina. Olona teny an-toerana no nahita azy nianjera tao ambany tetezana ka nampiantso ny sampana mpamonjy voina avy hatrany. Fotoana fohy taorian’ izay, tonga nanao ny asam-pamonjena tamin’ny alalan’ny fikarohana ilay niharam-boina ny mpamonjy voina. Nanao izay ho afany tamin’ny fikarohana […]