Hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony tetsy Ampitatafika, omaly tamin’ny 7ora sy sasany maraina, ny raim-painakaviana iray 36 taona. Efa nentin’ny rano avy any ny razana ary teny Ampitatafika vao hita. Heverin’ny olona fa ondana na zavatra hafa izany hay olona efa maty natsingevan’ny rano. Tonga teny an-toerana nahitana ny razana […]
Tranga
Fisavana sandoka tetsy Antehiroka: Miaramila roa voasambotra, efatra hafa tafatsoaka
Nisy olona enina, nanatanteraka fisavana, voalaza fa sandoka, tetsy amin’ny tranon’ny ben’ny Tanàna teo aloha an’ny kaominina Antehiroka, Lalaina Vatosoa, omaly atoandro. Nanana ahiahy tamin’ny taratasy nentin’ireto farany ny tompon-trano ka nampandre ny zandarimaria avy amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka. Vokany, voasambotra ny lehilahy roa izay miaramila niaraka tamin’ny basy PA. Tafaporitsaka […]
Amoron’i Mania : Basy mahery vaika miisa 41 nogiazana
Fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan’ny olon-dratsy nogiazan’ny zandary ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Basy mitotaly 41 azo tao anatin’ny herintaona. Miasa andro aman’alina, mitandro hatrany ny fandriampahalemana no vaindohan-draharaha ho an’ny zandarimaria miasa ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Anisan’ny vokatra goavana azon’izy ireo nandritra ity taona ity ny fanangonana fitaovam-piadiana fampiasan’ny […]
Naka an-keriny zaza 3 taona: Voasambotra ireo nahavanon-doza
Olona roa, lehilahy sy vehivavy niara-notanan’ny mpitandro filaminana hatao famotorana, nanomboka afakomaly, taorian’ny fakana an-keriny zazavavy vao telo taona monja tao Ambatoboeny. Nalain’ny olon-dratsy io zaza io ny 27 oktobra lasa teo. Nifampitadiavan’ny fianakaviany saingy tsy hita popoka nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny […]
Halatra moto teny Alasora : Jiolahy roa saron’ny zandary
Tratran’ny zandarimaria ny roa lahy tompon’antoka tamin’ny halatra moto teny amin’ny kaominina Alasora, afakomaly. Nitrangana halatra moto tao amin’ny fokontany Andavarangana Amboaroy, kaominina Alasora, ny 25 oktobra lasa teo. Very ka nifampitadiavan’ny tompony tamin’izany ny scooter iray marika “Cygnus”. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Niroso tamin’ny fikarohana […]




