Maty tsy tra-drano ny ramatoa iray, omaly, tetsy Ankadimbahoaka. Main’ny herinaratra amin’ny andrin-jiro teo akaikin’ny toeram-pivarotany izy. Nalemy kosa ny ilan’ny vehivavy iray, nikasa hanavotra azy. Namoy ny ainy, main’ny herinaratra tetsy amin’ny fokontany Ankadimbahoaka Andrefana, ny ramatoa iray manodidina ny 40 taona, omaly tokony ho tamin’ ny 12 ora […]
Tranga
CEG Talatamaty : Nisy tranga hafahafa nahazo ireo mpianatra
Mpianatra miisa efatra, ao amin’ny kilasy fahasivy, tetsy amin’ny sekolim-panjakana, CEG Talamaty, niharan’ny tranga hafahafa omaly maraina. Nibitabitaka, nitsipatsipaka, nitabataba, nitomany, niha sempotra ary niafara tamin’ny fahatoranana mihitsy ny fisehon’ny aretina, raha ny fanazavan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra teny an-toerana. Nifindra tamin’ireo iray kilasy taminy izany ka nisehoan’ilay tranga ihany koa […]
Nanafika Cash point: Jiolahy iray voasambotra
Jiolahy nitam-basy tratran’ny polisim-pirenena miasa ao Toliara, omaly. Nanafika mpiasa amin’ny toerana fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday, Cash point, tao Tsienengea, ny olon-dratsy roa, ny talata 18 novambra lasa teo. Hamonjy fodiana, ny harivan’io andro io, ilay ramatoa kinanjo narahin’ireo mpanao ratsy. Nambanan’izy ireo tamin’ny basy ka voaroba ny vola teny […]
Lozam-pifamoivoizana teny Ankasina Lehilahy iray maty, nitroatra ny mponina
Maty voadonan’ny fiara teny Ankasina ny lehilahy iray, omaly. Nandositra ilay tompon’antoka. Tezitra ka nikomy ny mponina, nivadika ho sakan-dalana sy fandorana kodiarana ny zava-nisy. Nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, nanakan-dalana sy nametraka sakana teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’ Andohatapenaka sy Ankazomanga, ny mponina teny Ankasina, omaly. Tsiahivina […]
Ambodivona : Lehilahy nangalatra 5 tapitrisa Ar voasambotra
Mpiasa nangalatra volan’ ny mpampiasa azy voasambotra tetsy amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Ambodivoina, ny 16 novambra teo. Niasa tao amin’ny tranombarotra iray tao Mananara Avaratra io lehilahy io. Nanararaotra ny fahatokisan’ny mpampiasa azy izy ka nanjavona nanomboka ny 10 novambra lasa teo. Nanamarina ny vola tao an-tsena ny mpampiasa azy, kinanjo […]




