Hita faty tao anatin’ny fiarany teny Bel’air Talatamaty ny raim-pianakaviana iray 38 taona, ny 1 jona teo. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana an-drangahy ny ramatoa vadiny ka notanana am-ponja. Voasaringotra amin’ny raharaha nahafaty am-badiny izay hita faty nisy namono tao anatin’ny fiarany teny Talatamaty, ny 1 jona teo, ny ramatoa […]
Tranga
Nahafaty ny adjidà Noara: lavon’ny balan’ny zandary i Jarivo
Maty rotiky ny balan’ny zandary, omaly, rehefa nokarohina nandritra ny enin-taona ny dahalo raindahiny antsoina hoe Rajaonarivo Edmond na i Jarivo, monina ao Befanihy Andrefana, fokontany Ampondravelona, kaominina ambanivohitr’i Maroadabo Andilamena. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Andilamena, ny kapiteny Tobiasy, anisan’ireo tompon’antoka namono sy nitetika ka nahafaty ny adjidà Noara […]
Ilaivola-Ivato: tratra ilay ramatoa nampijaly zana-bady
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray nidaroka sy nampijaly ny zana-badiny tao amin’ny fokontany Ilaivola, kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, ny alarobia 10 jolay teo. Niantso vonjy tamin’ny mponina manodidina mpiray vodirindrina aminy ny zazavavy iray. Mangana avokoa ny mason’io zaza io ary nahitana ratra ny faritry ny vatany. Tsy nisy olon-kafa […]
Toamasina : jiolahy telo rotiky ny balan’ ny polisin’ny UIR
Niara-maty voatifitra ireo telo lahy ikoizana amin’ny asa fanendahana sy fandrobana tao Toamasina Renivohitra, omaly. Nandositra ny namany iray. Maty voatifitry ny polisim-pirenena ny jiolahy telo lahy tompon’ antoka tamin’ny fanendahana mpandalo, tao Ambolomadinika Toamasina, omaly. Nanao fisafoana tamin’io faritra malaza fanaovan’ireo tontakely sy mpangalatra ny asa ratsy io ny […]
Lasibatra hatramin’ny mpiara-mivavaka : voasambotra ilay mpisoloky vola an-tapitrisany
Tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Antananarivo Ville, ao Betongolo, ny lehilahy iray mpisoloky vola an-tapitrasa, 10 jolay teo. Nilaza ho mahatafiditra olona miasa ao amin’ny orinasa, nangalan’io mpisoloky io vola avokoa ireo olona rehetra naniry hanao ilay asa sy nametraka fitokosina taminy. Tsy vitan’io, nanome toky tompona fiara […]