Tranga

Notsindromina antsy : Ramatoa iray hita faty tao an-trano nihidy

Renim-pianakaviana iray hita faty tao an-tranony, ao Tanambao Bitavolo, kaominina Ampasina Maningory, disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny talata lasa teo. Nihidy avy any ivelany ny trano ka nosokafana. Vatana mangatsiaka efa nihoson-dra teo ambony fandriana no hitan’ny fianakaviana. Nahitana tsa­toka antsy maro ny vatany, nandritra ny fiza­hana ny razana nataon’ny mpitsabo […]

Fanolanana zaza: Mpivady niara naiditra am-ponja

Niara-naiditra am-ponja izy mivady noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fanolanan-jaza tany Miarinarivo. Tovolahy iray kosa migadra 5 taona noho ny fanolanana, tetsy Ankazomanga. Voaheloka higadra dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra, omaly, ny tovolahy nanolan-jaza tsy ampy taona tetsy Ankazo­manga. Niakatra fitsarana tetsy amin’ ny Lapan’ny fitsarana Anosy ny raharaha momba […]

Sinoa mivady nisoloky: Mitaky ny hanaraha-maso ny raharaha ny lasibatra

Manao antso avo amin’ny minisitry ny Fitsarana ireo mpitory, lasibatra tamin’ny fi­varotana tamin’ny alalan’ny fisandohana ny orinasany, mpitrandraka vato iray eto Ma­dagasikara. Takin’izy ireo ny hanaraha-maso sy handraisana andraikitra mahakasika io raharaha io. Raha ny fantatra, nahazo fahafahana vonjimaika ny sinoa iray sy ny vadiny, malagasy, afakomaly. Izy ireo izay […]

Vonoan’olona : Zazamenavava nataon-drainy sorona

Zaza enim-bolana nataon’ny rainy sy ny renibeny sorona tany amin’ny ladoany, tao amin’ny kaominina Miandrarivo. Voasambotra ireo nahavanon-doza. Notanan’ny zandarimaria manao ny famotorana avokoa ny ray niteraka, ny reniben’ny zaza ary ny mpanandro iray tompon’antoka tamin’ny vono olona tao amin’ny fokontany Ambavaha­divato, kaominina Miandra­rivo, distrika Faratsiho, ny 7 no­vambra lasa […]