Mametraka fomba fijery sy fiasa vaovao ny polisim-pirenena manoloana ny fihavaozana sy fanarenana tanteraka apetraky ny filohan’ny Fanavaozana ny Repobikan’i Madagasikara. “Anisan’ny ezaka ataon’izy ireo ny fahazoana vokatra tadiavin’ny vahoaka, izany hoe, ny hisian’ny filaminana”, hoy ny tale jeneralin’ny polisy, ny Commissaire divisionnaire de police Tsaramonina Ravony, raha nitafa tamin’ny […]
Tranga
Ankazomanga: Lehilahy tratra nanao sinto-mahery
Lehilahy iray voasambotry ny polisy tetsy Ankazomanga, afakomaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora. Tratra teo am-panaovana sinto-mahery teo amin’ny mpanao Cash point iray teny an-toerana izy tamin’io fotoana io. Nisy olona iray nametraka vola manodidina ny 3 hetsy Ariary tamin’ny Cash point iray teny an-toerana. Nanamarina ny vola ny […]
Antehiroka Ambohibao : Maty ilay voatifitra teo amin’ny kibony
Namoy ny ainy, afakomaly, ny lehilahy iray, voan’ny bala teo amin’ny kibony. Anisan’ny lasibatra nandritra ny fifampitifirana teny Andranoro ny tenany. Tsy tana ny alin’ny alarobia 5 novambra teo ny ain’i Nekena, tovolahy voan’ny bala teo amin’ny kibony nandritra ny savorovoro teny amin’ny fokontany Andranoro, kaominina Antehiroka Ambohibao, ny alin’ny […]
Famonoana an-rRasazy Narindra : Olona telo voaheloka higadra 20 taona
Niakatra fitsarana teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, efitrano fahefatra, omaly, ny raharaha mahakasika ny famonoana ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Mangataboahangy, ny 21 febroary 2025 lasa teo. Nanomboka tamin’ny 9 ora, hatramin’ny 6 ora hariva ny fihainoana ireo olona 18 voampanga sy voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Taorian’ny fihainoana ny rehetra, […]
Tsy hita ny alatsinainy : Zazalahy maty nihohoka tao anaty rano
Hita faty nihohoka tao anaty lakandrano ny zazalahy vao herintaona sy tapany monja tao amin’ny fokontany Tsararivotra, kaominina Nosy Varika, ny talata 4 novambra teo. Niara-nilalao tamin’ny zokiny teo an-tokotany io zazalahy io, ny alatsinainy lasa teo. Tsy hita tampoka io zaza io, tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro. Nikaroka […]




