Tranga

Migadra i Julio Gros bras : Polisy am-perinasa voadaroka!

Polisy iray mpandrindra fifamoivoizana no naratra voadaroky ny mpamily iray. Tsy ara-dalana ny taratasiny ka nahazo fampitandremana. Nivoaka ny fiara izy, nidaroka avy hatrany ilay mpitandro filaminana. Tonga nitolo-batana teo anivon’ny kaomisaria foibe Bazarikely, Rama­herison Julio Franco, fantatry ny maro amin’ny solon’ana­rana hoe Gros bras, noho izy voarohirohy ho nanao herisetra […]

Namono mpiasan’ny kaominina : voasambotra ilay mpiambina nahavanon-doza

Niampy iray indray ny voasambotra, afakomaly, momba ny vono olona nahafatesana mpiasan’ny kaominina iray tao Antsirabe. Nisy namono ta­min’ny fomba niharo habibiana io renim-pianakaviana mpiasan’ny kaominina io, ny volana oktobra 2023 teo. Nitsoaka taty an-dRenivohitra avokoa ireo nahavanon-doza. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana ka ramatoa iray voasambotra ny 4 janoary […]

Niala lalana : kamiaobe iray nilatsaka tany anaty hantsana

Kamiaobe iray no niala lalana ny vodiny ka nitondra azy amin’ny ankavanan-dalana tany anaty hantsana tao Ankadilalana, fokontany Andranomaitso, kaominina amba­nivohitr’Antaretra, distrikan’Ifanadiana, RN 25 Pk 83+500, afakomaly. Kamiaobe nitondra goudron hanatanterahina ny tetikasam-panjakana avy aty Antananarivo ho any Vangaindrano ity niharan-doza ity. Nahazo fampandrenesana momba ny fisian’io loza io ny […]

Fanondranana biby arovana: Sinoa ny roa naiditra am-ponja

Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Toliara ny teratany sinoa tompon’antoka amin’ny famantsiam-bola ireo mpangalatra antsokosoko ny biby arovana ao amin’ny faritra Atsimo. Malagasy telo niara-notazomina am-ponja aminy. Sinoa roa sy Malagasy telo niara-naiditra vonjimaika any am-ponja taorian’ny fisamborana azy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Taorian’ny firongatry ny halatra sy fahatrarana […]

Itaosy : lavo tao anelakela-pasana i Guista

Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ao Amboatavo, koaminina Itaosy, ny alin’ny alakamisy teo. Miandry mpandalo mody hariva io mpanendaka io ka miafina misitrika any anelakela-pasana. Tsy ma­raina tsy alina, manao io asa ratsiny io hatrany ity olon-dratsy ity. Nanao fisafoana tampoka manoloana io tranga fanendahana misy […]