Tranga

Ranomasin’i Katsepy: olona 10 hita faty

Vehivavy enina sy lehilahy efatra, hita faty tany Katsepy, omaly. Hita teo amoron-dranomasina ny sivy ary natsin­gevan’ny ranomasina ny iray. Nahitana pasipaoro manambara fa teratany somalianina ny roa tamin’izy ireo. Tafakatra 10 ireo razana hita tany amin’ny fokontany Antrema, kaominina ambanivohitra Katsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny, omaly. Vehivavy ny enina […]

Nidona tamin’ny kamiao: Lehilahy iray namoy ny ainy, roa hafa naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina in­dray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, ny zoma tolakandro, tamin’ny 3 ora sy fahatelony lasa teo. Nitranga tany Ampangabe, Analaman­ga Park ny loza. Nidona mafy tamin’ny kodiaran’ny fiarabe mpitatitra entana, nifanena taminy, ny moto iray. Naratra mafy, vokatry ny dona nahazo azy ny lehilahy 25 taona, […]

Sodiat Borosy Talatamaty: Nosavain’ny mpitandro filaminana

Nosavain’ny mpitandro filaminana ny Sodiat Borosy tetsy Talatamaty, ny sabotsy lasa teo. Nanatanteraka izany, ny mpitandro filaminana izay nisaron-tava sy nirongo fitaovam-piadiana, raha ny loharanom-baovao voaray avy eny an-toerana. Nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro hatramin’ny 6 ora hariva tany ho any ny fisavana. Efa niantso polisy ny tomponandraikitra tao amin’io […]

Ambatomaro: Jiolahy roa lavon’ny polisy

Jiolahy roa lavon’ny balan’ny polisy tetsy Ambatomaro, ny alin’ny alarobia 29 oktobra lasa teo. Nikasa hamoaka ny fitaovam-piadiana teny aminy izy ireo ary saika hamely ireo mpitandro filaminana. Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny fokontany Ambatomaro ny alin’ny alarobia 29 oktobra lasa teo. Jiolahy roa lahy anisan’ny mpanao fanafihana mitam-piadiana eny […]

Mpanakan-dalana : Taksiborosy roa voatafika, voaroba ny 2 tapitrisa Ar

Notafihin’ny dahalo miisa sivy, mirongo fitaovam-piadiana, tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra, afakomaly alina, ny taksiborosy miisa roa. Ni­tranga teo Antananarivokely, atsinanan’i Bevilany, Maeva­tanàna, ny loza. Nanao sa­kan-dalana ireo dahalo ary nandroba ny mpandeha tao anatin’ny fiara. Novelesin’ireo olon-dratsy tamin’ny vodi-basy ny mpamily fiara ka naratra mafy. Ramatoa iray nipetraka teo alohan’ny […]