Ela ny ela, nisy tompom-bady sahy nijoro ka nanontsana ny fampirafesana sy fampijaliana natao azy. Raim-pianakaviana iray sy ny sakaizany, izay niterahany roa, no naiditra am-ponja. Naiditra am-ponja, ny alatsinainy lasa teo, ny raim-pianakaviana iray sy ny sakaizany na ny vadikeliny. Notorian’ny tompom-bady izay vita mariazy taminy ilay rangahy. Efa […]
Tranga
Halatra taolam-paty : Kandidà depiote ao Anosibe an’Ala ahina
Eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), kandidà depiote iray ao Anosibe an’Ala no voatonontonona ho tompon’antoka amin’ny vaky fasana. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpanao famotorana, nisy halatra taolam-paty tao amin’ny fokontany Niarovana, kaominina Longozabe, tamin’ny zoma alina. Tratra ireo mpamaky fasana […]
Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina: mpianaka niara-namoy ny ainy
Niara-maty ny zazalahikely vao fito taona sy ny reniny, omaly. Voafaokan’ny taksiborosy ny Tuc-tuc nitondra azy ireo. Mafy ny fifandonana, samy nivadika ireo fitaovam-pitaterana. Niara-namoy ny ainy ny zazalahy fito taona sy ny reniny tao Ambolomadinika, Toamasina Renivohitra, omaly maraina. Tra-doza teny ampitaingenana Tuc-tuc izy mianaka. Nivoaka tampoka ny fiara […]
Hetsika Dona : nalain’ny polisy ireo moto tsy ara-dalàna
Haharitra dimy andro, natomboka teo Andohan’Analakely, ny sabotsy maraina teo, ny hetsika “Dona” izay nentina indrindra mba hanamafisana ny fampiharana ny lalàna manoloana ireo fandikan-dalàna maro samihafa ataon’ny mpitondra moto. Miseho amin’ny endrika samihafa ny tsy fanarahan-dalàna hita teny an-toerana, toy ny fanaovana taingimbe, antontan-taratasina moto tsy ampy. Tsy fanaovana […]
Alakamisy Fenoarivo: Taxi-be nifaoka mpiantsena
Mpiantsena sy ankizy dimy niharan-doza voafaokan’ny taxi-be teny Alakamisy Fenoarivo, afakomaly hariva. Nandeha mafy ilay fiara mpitatitra ka nifatratra tamin’ny tsena amoron-dalana iray. Lasibatra tamin’izany ny renim-pianakaviana iray izay voa teo amin’ny faritry ny tongony sy ny lohany. Voadona niaraka taminy ny zazakely iray. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ireo […]