Miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny zandarimaria any Mahajanga ny lehilahy iray nahatrarana vola vahiny sandoka mitentina 44 tapitrisa Ariary. Avy aty Antananarivo ary nokasainy hatakalo tany amin’ny banky Mahanjanga ireo vola ireo. Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritr’i Mahajanga, omaly, ny lehilahy iray nampiasa sy nitondra vola vahiny sandoka. […]
Tranga
Resevera nangalatra namily : Taxi-be nivarina an-kady, mpandeha 16 naratra
Latsaka tanaty hantsana ny taxi-be iray, omaly, teny Ambohidratrimo. Naratra vokatr’izany ny mpandeha 16 ka ny iray mbola miady aina. Voalaza fa resevera nangalatra nitondra fiara ity tra-doza ity. Nandray an-tanana ny fitsaboana ny tompon’ny fiara. Zava-doza no nihatra tamin’ireo mpitaingina taxi-be hihazo an’Alakamisy Ambohidratrimo, omaly maraina. Nivarina an-kady ny […]
Famitahana Cash point : Lehilahy tratra nampiasa vola sandoka 60 000 Ar
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahamasina, omaly maraina tamin’ny 10 ora ny lehilahy iray. Nisoloky sy nampiasa vola sandoka eny amin’ny Cash point iray tetsy Ankadimbahoaka ny tenany. Mody mametraka vola 1 hetsy Ariary eny amin’ny Cash point io olon-dratsy io. Mitondra roa alina ariary miisa dimy izy, […]
Zava-mahadomelina : Nodorana ireo crystal Méthamphétamine
Nodorana sy nopotehina omaly, tetsy amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka ny “Crystal Méthamphétamine”, milanja 10,9 kilao. Karazan-java-mahadomelina mahery vaika izay ampiasan’ny olona sy hita misy mivarotra eny amin’ny takotakona eny izy ity. Nanatanteraka ny fandorana izany ny Polisin’ny Stup sy ireo mpitsara nanome alalana ny fandorana. Tsiahivina fa tratran’ny polisy miady amin’ny […]
Trano nirehitra : Ramatoa iray maty kilan’ny afo tetsy Ambohimanga Rova
May kilan’ny afo nandritra ny firehetan’ny trano fonenany tetsy Ambohimanga Rova ny renim-pianakaviana iray, ny alahady alina teo. Tavela tao an-trano izy ary hita tao anaty “baignoire” ny razana izay efa may tanteraka. Nitrangana haintrano nahafatesan’olona tetsy amin’ny sampanana Ambohimanga Rova, fokontany Ambohitrandriamanjaka, kaominina Ambohimanga Rova ny alin’ny alahady hifoha […]




