Niharan-doza sy nivadika ny kamiao mpitatitra entana iray tetsy Antakavana, disitrikan’Akazobe, ny zoma teo. Ankizy efatra mianadahy niara-maty voatsindrin’ny vary tamin’ny gony tao anaty fiara. Olona roa hafa naratra mafy. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Antakavana, distrikan’Ankazobe, ny zoma hariva tamin’ny 7 ora sasany hariva. Kamiao Mercedes Benz, mpitatitra […]
Tranga
Olona telo voasambotra: Zaza hita faty tsy nisy taovam-pananahana
Nesorin’ireo tsy valahara ny taovam-pananahan’ny zaza fito taona hita faty tao Mahatazana, kaominina Andilamena, faritra Alaotra Mangoro, ny marain’ny alahady 7 septambra teo. Mpivarotra ny ray aman-drenin’io zazalahy io ka matetika ajanon’ny ray aman-dreniny ao an-trano ireo zanany. Tsy tsikaritry ny manodidina, araka izany, ny tsy fahitana ilay zaza raha […]
Depot fahefatra: Anjakan’ny jiolahy tanteraka
Lasa faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny ao amin’ny Toamasina ankehitriny. Nidiran’ny andian-jiolahy mirongo fiadiana ny tokantrano iray tany amin’ny fokontany Depot fahefatra, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Notafihan’ireo jiolahy ireo ny renim-pianakaviana mpikirakira tranoheva fanakalozam-bola sy fahana finday. Lasan’izy ireo ny finday miisa dimy tao an-tokatrano, sy vola […]
Faran’ny herinandro : Namoizan’aina olona efatra ny lozam-pifamoizana
Nisesisesy ny trangana lozam-pifamoizana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Nahatratra efatra ireo olona namoy ny ainy vokatr’izany. Olona telo maty vokatry ny fianjeran’ny taksiborosy tany anaty hantsana. Maty vokatry ny fifandonana teny amin’ny RN7 ny Pretra iray hafa. Niharan-doza teo amin’ny fokontany Ambatomivaha, distrikan’i Manjakandriana teo amin’ny lalam-pirenena faharoa ny […]
Lozam-pifamoivoizana tetsy By Pass : Voasazy 24 volana ilay sinoa niavian’ny tranga
Nivoaka omaly ny didy mahakasika ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona efatra tetsy By Pass, ny alin’ny alarobia 1 mey lasa teo. Voasazy higadra, sazy mihatra, 24 volana an-tranomaizina, miampy lamandy iray hetsy ariary ilay teratany sinoa nahatonga ny loza. Mandoa onitra 40 tapitrisa Ariary ho an’ireo zanaky ny maty kosa ny […]




