Tranga

Sabotsy Namehana: zana-tsokatra 342 isa nariana amoron-dalana

Karohina ny tompon’antoka tamin’ny fanariana zana-tsokatra an-jatony teny amin’ny lalana mihazo ny kaominina Sabotsy Namehana, afakomaly. Efa nofonosina harona plastika, ahina ho saika nahondrana ireo biby arovana ireo. Hitan’ny zandary teo amoron-dalana, teo amin’ny toerana antsoina hoe Vavafolo, fokontany Iadidiana, kaominina Sabotsy Namehana, ny sabotsy maraina tamin’ny 3ora sy 30mn […]

TSELATRA

Naiditra eny Antanimora avokoa ireo valo lahy voasaringotra tamin’ny halatra solika tao Talata Volonondry, omaly. Nanodinkodina solika teny amin’ny toerana hanamboarana ny lalambe migodana izy valo lahy ireo. Nanao ny fanadihadiana ny zandary ka niara-voatazona ireo voarohirohy. Niafara tamin’ny fihazonana am-ponja izany. Misazy dimy taona an-terivozona ilay mpiandry fonja voampanga […]

Avy nandray fisotroan-dronono: raim-pianakaviana sy ny mpiasany nisy namono tao an-tranony

Raim-pianakaviana iray no maty voafira antsy tamin’ny tendany, omaly, tao Toamasina. Novonoina niaraka taminy ihany koa ny mpanampiny. Hita faty novonoina tamin’ ny fomba feno habibiana tao an-tranony, ao Camp Docker P/lle 31-11 Tanambao II, Toamasina, omaly, ny raim-pianakaviana iray 84 taona sy ny mpanampiny vavy iray. Voakapa ny antsy […]