Tranga

Sprinter niala ankizy nilalao bisikileta: Namoy ny ainy ny mpamily ny fiara, ankizy roa naratra

Tsy tana ny ain’ilay mpamily fiara sprinter mpitatitra entana iray, niharan-doza tetsy Ankadikely, afakomaly. Ankizikely roa naratra ary mbola tsy mahatsiaro tena ny iray amin’izy ireo hatramin’ny omaly. Niharan-doza tetsy amin’ ny lalana kaominaly vao an-dalam-panamboarana, mampitohy an’Anta­nandrano sy Ankadikely, ny fiara Sprinter fourgon iray, afakomaly hariva tamin’ny 5 ora. […]

Toamasina : Mpangalatra resin-tory teo am-baravarana

Vaky ny trano iray tao amin’ny fokontany Analankininina Hopitaly Be, kaominina Toa­masina, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 28 aogositra teo, saingy resin-tory teo am-baravarana niaraka tamin’ny findain’ny tompon-trano ilay jiolahy. Taitra tampoka ny rangahy tompon-trano, tokony ho ta­min’ny misasakalina. Talanjona izy fa efa misokatra ny varavaram-be ary misy olona […]

Ambohipo : Roa lahy voasambotra

Voasambotry ny polisim-pirenena omaly maraina, teny Ambohipo, ny lehilahy roa mpanao hala-boty. Nifanehitra tamin’ny lehilahy anankiroa izay mirongo entana tamin’ny gony ny polisy. Nampiahiahy ny fihetsik’ireto roa lahy ka nosavaina. Nahitana entana halatra maro samihafa, toy ny kojakojana an-tokantrano, kiraro sy ny maro hafa, teny amin’izy ireo. Fantatra fa vao […]

4X4 nifandona tamin’ny moto: raim-pianakaviana iray namoy ny ainy

Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto iray tra-doza teny amin’ny kaominina Soavinandriana Itasy, ny sabotsy tolakandro teo. Nipitika teny ambony moto nentiny izy. Fandehanana mafy sy tsy fitandremana avy amin’ny mpamilin’ilay fiara tsy mataho-dalana no nitarika ny lozam-pifamovoizana namoizana ain’olona tao Ambohi­bao, fokontany Tamoronala Fi­raisana, kaominina Soavi­nan­driana, distrikan’Itasy, ny sa­botsy […]

Fanolanana ankizy : Tovolahy 16 taona nalefa eny Antanimora

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, ny alarobia lasa teo, ny tovolahy 16 taona, rehefa avy niakatra fampanoavana teny amin’ny fitsarana. Nanolana ankizivavy kely vao enin-taona monja teny amin’ny fokontany Mo­rarano, kaominina Andohara­nofotsy, izy. Niharan’ny fanolanana niverimberina tany amin’ny fitombenany io ankizy io. Nanomboka ny 20 aogositra lasa teo no niaina […]