Voasambotry ny mpiambina sy ny fokonolona tetsy amin’ny Tsenan’Anosibe, omaly tamin’ny 4 ora tolakandro, ny jiolahy roa. Nanafika toeram-pivarotana iray teny an-toerana ny lehilahy telo tsy nisaron-tava sy nirongo basy. Nambanan’izy ireo tamin’ny basy ilay mpivarotra ary nitaky ny vola rehetra tao amin’io fivarotana io izy ireo. Niantso vonjy sy […]
Tranga
Fikasana hangala-bary : Namono tena tamin’ ny poizim-boalavo ilay mpiambina
Maty namono tena tamin’ny poizim-boalavo, ny talata lasa teo, ny lehilahy iray 23 taona. Mpiambina trano fitehirizam-bokatra iray eny Fonenana, kaominina Imerintsiatosika, distrikan’Arivonimamo izy io. Nikasa hangalatra vary akotry tao amin’io toerana nandrasany io izy. Efa nitondra fiara hitaterana ireo vokatra saingy nampandre ny tomponandraikitra ny mpamilin’ny fiara. Naharay antso […]
Ambohidratrimo : Tovovavy iray maty nokaikerin’ny alika
Voakaikitry ny alika tetsy Ambohidratrimo, ny volana jona lasa teo, ny tovovavy iray 17 taona. Namoy ny ainy, afakomaly, teny amin’ny hopitaly izy rehefa nialan’ny mpitsabo nenina, nanomboka ny talata lasa teo. Mitohy hatrany ny tranga kaikitr’alika mahafaty olona eto amin’ny Nosy. Tsy tana intsony ny ain’ ny tovovavy 17 […]
Fikasihan-tanana vehivavy bevohoka : Naiditra vonjimaika am-ponja ilay ben’ny Tanàna
Nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjaben’ny Fenoarivo Atsinanana, afakomaly, ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Antsiatsiaka, disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Randriamanana Jean Fidel, taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanaovana teny anivon’ny fitsarana. Naharitra ora maro ny fihainoana ny niharam-boina sy ny vavolombelona ary ny fitanana an-tsoratra ilay voarohirohy sy ireo mpiara-dia aminy. Vesatra anenjehana azy ny […]
Taxi-be 015 nandika lalàna: Voasambotra ny mpamily
Taorian’ny fiparitahan’ny tranga mahakasika fandikan-dalàna nataon’ny taxi-be 015 iray tamin’ny tambajotran-tserasera, afakomaly. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisim-pirenena ka nikaroka ilay fiara. Vokany, voasambotra omaly tolakandro, tetsy Maroroho Tsimbazaza ny mpamily sy ny mpanampy mpamilin’io fiara io. Nentina sy notazomina ary miatrika fanadihadiana eny amin’ny Brigade des accidents de la […]




