Nampidirina am-ponja eny Tsiafahy ilay teratany Sri-lankais, saika hanondrana volamena tany Dubaï, tratra ny sabotsy teo. Nilanja efatra kilao ny entana sarobidy teny aminy. Niakatra fampanoavana, omaly, tetsy anivon’ny Pôle anti-corruption (Pac) 67ha ilay teratany Sri-lankais. Voarohirohy nikasa hanondrana antsokosoko volamena milanja 3,885kg ho any Dubaï, ny 03 mey lasa […]
Tranga
Ady tany nitera-doza : Telo mianaka voafira antsy, olona 5 voasambotra
Notanana atao andrimaso eny anivon’ny zandarimaria ireo dimy lahy nandratra telo mianaka vokatry ny ady tany tao amin’ny fokontany Mahazina, kaominina Ilaka Centre, distrikan’Ambositra, ny alatsinainy maraina tamin’ny 9 ora. Nitrangana disadisa teo amin’ ny fianakaviana roa samy hafa monina anatin’io fokontany io. Nijinja vary teny an-tsaha ilay fianakaviana iray. […]
Nahazo 84 tapitrisa Ar : Mpisoloky roa vavy voasambotra
Tra-tehaka teo Tsaralalàna, ny 3 mey teo, ireo roa vavy mpisoloky efa naharaisan’ny kaomisaria CSP1 fitoriana telo, tao anatin’ny iray volana. Nahazo vola maherin’ny 80 tapitrisa izy ireo. Nandritra ny volana avrily lasa teo, naharay fitoriana avy tamina tompona orinasa momba ireo mpisoloky roa vavy ireo ny polisy. Avo lenta […]
Efatra maty teny By-Pass : Nalefa eny Tsiafahy ilay sinoa, mpamily
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy, omaly, ilay sinoa, mpamily, nahafaty olona efatra teny By-Pass. Lozam-pifamoivoizana nitranga ny alin’ny faha-30 avrily. Enina andro taty aorian’ ny nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy akaikin’ny kianja Elgeco plus By-Pass, nahafatesan’olona efatra, ny 30 avrily lasa teo. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjaben Tsiafahy, omaly, mandra-piandry ny […]
Mpiasa an-trano tetsy Ambohijanaka : Nanorenany tokantrano ireo entana nangalariny
Lehilahy sy vehivavy roa voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, afakomaly. Nitokisan’ny mpampiasa azy nandritra ny telo taona io lehilahy io. Nahatsapa fahabangan’ny entana tao an-trano anefa ny tompon-trano. Nihena tsikelikely ireo fitaovana tao an-tokantrano. Nanjavona hatramin’ny kidoro sy lovia. Nampiahiahy azy rahateo ny fihetsik’io lehilahy mpiasa tao […]