Voasambotry ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Fangato, Kaominina ambonivohitra Mananjary, ny alarobia 13 septambra teo, ny renim-pianakaviana iray. Nifanaraka tamin’ny olon-tsy fantatra izy fa hamidiny ny menaky ny ainy. Niroso teny amin’ny fitsarana ny roa tonta hikarakara ny taratasy handafosana ilay zaza. Zazavavy kely vao enim-bolana ity nokasainy hamidy […]
Tranga
20 voasambotra, valo migadra : tovolahy navonoina, notondrahana asidra
Vokatry ny fialonana, novonoin’ny rafilahiny tamin’ny fomba feno habibiana i Zafalie Marie Orlove. Notondrahana asidra , avy eo nariana tanaty lobolobo ny vatana mangatsiakany. Voasambotry ny zandary misahana ny ady heloka bevava ireo olona 20 voarohirohy ho nahavanon-doza tamin’ny famonoana an’i Zafalie Marie Orlove. Ilay tovolahy hita faty tao anaty […]
Vaky fasana : Razana 15 nosavoritahan’ny jiolahy
Fasana iray novakian’ny olon-dratsy tao Miadamanjaka, fokontany Tsaravondrona, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe, ny alin’ny alatsinainy 11 septambra teo. Mpandalo iray no nahatsikaritra fasana iray efa nisokatra, ny talata hariva. Taitra, nampandre ny manodidina izy. Nijery ifotony ny tranga koa ny mpitandro filaminana ao an-toerana niaraka tamin’ny tompom-pasana. Voamarina, nandritra izany, fa tsy latsaky ny […]
Antsarakofafa : mpanendaka matin’ ny fitsaram-bahoaka
Raim-pianakaviana iray hita faty tao Antsarakofafa Toamasina, ny sabotsy teo. Nafenin’olona tanaty lobolobo amoron-tatatra ny razana ka simba tanteraka. Raha ny tatitra nampitain’ny teo anivon’ny polisim-pirenena, mpangalatra sady mpanendaka ao Ankirihiry akaikin’ny bazary may, ny sabotsy teo, ity niharam-boina ity. Tratran’ny fokonolona izy tamin’ny 8ora alina. Raikitra ny daroka sy […]
Tetezan’i Bekiraro: raim-pianakaviana voatsatok’antsy ny tendany
Voatsatok’antsy teo amin’ny tendany ny raim-pianakaviana iray avy niasa, afakomaly alina. Vola 1 500 Ar anefa no tany aminy. Nalain’ireo jiolahy izany. Vola 1 500Ar famerim-bolana taxi-be no saika namoizan’ny raim-pianakaviana iray ny ainy teny amin’ny tetezan’i Bekiraro Isotry, afakomaly alina. Notsatohan’ny jiolahy ny antsy teo amin’ny tendany raha iny handeha hody ho any Andranomanalina iny. […]




