Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana lavon’ny zandary tao Ambodijambarao, kaominina Manatatsandry, distrikan’i Marovoay, afakomaly. Mpangalatr’omby nifampitadiavana am-bolana maro ity nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana ity. Efa voasambotra ilay dahalo. Namita sazy saingy izao niverina nanao ny asa ratsiny izao indray. Nitsongo dia sy nanara-dia azy, noho izany, ny miaramila […]
Tranga
Nitaky vola 2 tapitrisa Ar : ankizilahy iray nalain’ny dahalo an-keriny
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Besalampy tao amin’ny fokontany Ambohipisaky, ny faran’ny volana desambra lasa teo, ny olona efatra voarohirohy tamina halatra omby sy fakana an-keriny. Nahazo antso ny polisy momba ny fisiana trangana halatra omby ao Andranomamenty, fokotany iray, 5 km miala an’i Besalampy. Raikitra ny fikarohana ireo […]
Vono olona tao Antsirabe: tra-tehaka ilay ramatoa atidoha nikotrika
Nokarohina hatry ny ela! Tratra afakomaly ny ramatoa iray mpamono olona. Namono vehivavy mpiasan’ny kaominina izy ka nandevina izany tao an-tokotaniny. Nataon’ny zandary hazalambo, voasambotra ilay renim-pianakaviana nahavanon-doza tamin’ny famonoana ilay mpiasan’ny kaominina tao Antsirabe, ny volana oktobra lasa teo. Nilaza ho manana tany amidy io vehivavy nahavanon-doza io sy […]
Mangarano: Jiolahy efatra saron’ny polisy
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP2 Mangarano Toamasina, ny 3 janoary 2024 teo, ny jiolahy efatra tompon’antoka tamina fandikan-dalàna samihafa. Ny roa lahy amin’izy ireo tratra teo am-pangalarana cyclo-pousse tao Antetezantona. Efa maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisiana halatra ataon’ireto jiolahy ireto. Nidina ifotony ny polisy ka […]
VONO OLONA TAO Valpinson : Navotsotry ny fitsarana ireo voalaza fa jiolahy
Niakatra teny amin’ny fitsarana ady heloka bevava, ny 21 desambra 2023, ny raharaha fanafihana mitam-piadiana tao Valpinson Toamasina. Vola 6 tapitrisa Ar no very tamina trangana fanafihan-jiolahy, ny 19 janoary 2023. Nanao fanarahan-dia ny polisin’ny Fip taorian’ny fanafihana. Vokany, voasambotra ry Razafindrakoto Be Nestor sy ny namany, araka ny voarakitra […]