Tranga

Ankasina : Roa lahy maty voatifitry ny polisy

Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ny jiolahy roa mitam-piadiana. Lavon’ny bala teny Ankasina, ny marainan’ny alakamisy 24 jolay teo izy ireo. Mirongatra ny asan-jiolahy eny amin’ny manodidina an’i 67 Ha sy Ankasina iny tato ho ato. Mampiasa sabatra sy fitaovam-piadiana mihitsy ireo mpanao ratsy. Nanao hetsika manokana hisorohana io tsy fandriampahalemana […]

Alakamisy Anosiala : Trano 11 tafo narodana

An-taonany maro nifandroritana teny anivon’ny fitsarana, noravan’ny vaditany ny trano miisa 11 tafo eny amin’ny kaominina Alakamisy Anosiala, ny marainan’ny alakamisy 24 jolay teo. Nigadona vao maraina ny mpanatanteraka didy ka nitondra mpandrava ny trano tafiditra anatin’ny tany nahazoan’ny voalaza ho tompon-tany rariny. Didim-pitsarana efa nivoaka tamin’ny taona 2006 io […]

Fametavetana ankizivavy: Lehilahy naiditra amponja eny Tsiafahy

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny tovolahy iray, voasambotra ny 19 jolay lasa teo. Sady mametaveta ankizivavy izy no mandrakitra izany anaty horonantsary. Misarika ireo tovovavy tanora amin’ny alalan’ny fakana sary atao amin’ny dokambarotra ity lehilahy iray nanolana zaza tsy ampy taona ity. Notanana vonjimaika eny Tsiafahy, taorian’ny fampanoavana teny […]

Ambohimangakely : Lehilahy nahatrarana cocaïne 1,810 kg

Naiditra eny Tsiafahy, ny alatsinainy 21 jolay teo, ny lehilahy mpivarotra rongony mahery vaika tratra teny Ambohi­mangakely. Naharay loharanom-baovao momba io fisiana mpivarotra zava-mahadomelina mahery vaika io ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-ma­hadomelina eto an-dRenivohitra. Nanao vela-pandrika nahafahana nisambotra io lehilahy voatondro io ny polisy, tamin’ny 19 jolay […]