Teraka tao amin’ny toeram-pivoahana ho an’ny besinimaro iray teny Ampefiloha ny vehivavy iray, omaly. Nitera-tena samirery io vehivavy io. Tsy nisy nanampy izy fa niezaka namoaka ny zanany tao anatin’ilay toeram-pivoahana. Nikasa hanary io zanany vao teraka io anefa ilay vehivavy taorian’izay. Saika natsipiny tao ambadiky ny toeram-pivoahana ilay zaza […]
Tranga
Tao anatin’ny telo andro : Olona roa hita faty teny Ambohimalaza
Zazavavy 6 taona hita faty ny alatsinainy ary olona iray hafa omaly tolakandro, tao amin’ny kaominina Ambohimalaza. Tsy nisy voamaso ilany intsony ilay zazavavy. Nofatorana tamin’ny rovitr’akanjo mainty teo am-bodihazo ny vatany, nogejaina tadin-kiraro ny tongotr’i Tanyah kely, ilay zazavavy 6 taona hita faty tao Ambohimalaza, ny alatsinainy 21 jolay […]
Nandroba Cash point: Gadra nandositra ny iray tamin’ireo jiolahy
Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikambanan-jiolahy nandroba tompona Cash point tao Mananara Avaratra, ny 20 jolay teo. Nitrangana fanafihana niharo fandratrana olona miisa roa tao an-toerana, ny harivan’ny 5 jolay, tamin’ny 7 ora sy sasany. Nodarohan’ ireo tsy valahara izy mivady ary norobainy ny vola mitetina 8 tapitrisa Ar mahery. Noraofin’ireo […]
Raharaha Ambohimalaza : Nalaina am-bavany ny fianakavian’ireo maty
Olona roa, anisan’ny fianakavian’ireo 31 namoy ny ainy, momba ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, nohainoin’ny fampanoavana, teny amin’ny Lapam-pitsarana Anosy, omaly maraina. Nalaina am-bavany teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana ireo olona izay nametraka fitoriana hiampangana an’i Fenohasina tompom-pety sy ny reniny. Ireo fianakavian’ny maty ireo izay mitaky ny hamoahana ny […]
Nanondraka anana vao maraina : Rangaha maty tao anaty dobo
Nivoaka ny trano vao mangiran-dratsy hanondraka voly ny raim-pianakaviana iray. Vatana mangatsiaka hany sisa nalain’ny fianakaviany tao anaty dobo, teny Soavina Atsimondrano, omaly. Raim-pianakaviana, 54 taona, namoy ny ainy tampoka ka hita faty tao anaty dobo, teny amin’ny fokontany Ambihivy, kaominina ambanivohitra Soavina, distrika Atsimondrano, omaly. “Hanondraka fambolena vao maraina […]





