Nirefodrefotra ny basy! Lavon’ny polisin’ny UIR nanao fisafoana alina ny jiolahy roa lahy nandray anjara tamin’ny fandrobana mpandeha posy tao Tanambao Toamasina, omaly. Norobain’ny jiolahy efa-dahy ny mpandeha posy iray tao Mangarivotra, tamin’ny 2 ora maraina. Nitsoaka nanao tongotra an-katoka ireo mpandroba taorian’izay. Nifanakaiky ny biraon’ny polisy io toerana io […]
Tranga
Andohatapenaka : telo lahy nitam-piadiana lavo
Nifanenjehan’ny polisy, maty voatifitra ny jiolahy iray anisan’ireo nangalatra moto teo Andriantany, lalana mihazo an’i Mahitsy, omaly. Mpitandro filaminana avy eo anivon’ny BC1 no nahatsikaritra ny fandrobana nataon’ny jiolahy telo lahy. Nosakanan’ireo jiolahy ireo ny lehilahy iray nitondra moto teny amin’ny faritra Andohatapenaka. Nalain’izy ireo ny moto nentin’io mpandalo io. […]
Fanafihana mahery vaika : Olona 4 natao takalonaina
Lasan’ny dahalo mitam-piadiana ny vehivavy roa sy ny lehilahy roa tao Brieville, Tsaratanàna, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy 29 febroary teo. Nentin’ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika an-keriny ny vehivavy roa sy lehilahy roa tao amin’ny fokontany Tombokatsy, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratànana, afakomaly alina. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, […]
Anosiala : Jiolahy telo maty voatifitry ny zandary
Nirefodrefotra indray ny basy teny Mandrosoa Anosiala Ambohidratrimo, afakomaly. Jiolahy telo no maty rotiky ny balan’ny zandary raha tafaporitsaka kosa ireo roa lahy hafa. Basy Kalachnikov iray niaraka tamin’ny basy poleta vita tanana iray no tratra teny amin’ireo jiolahy voatifitra ireo. Teo am-piomankomanana ny hanao fanafihana tamina tokantrano iray eny […]
67 ha : Vehivavy ny iray amin’ireo jiolahy tratra teo am-panendahana
Saron’ny polisin’ny UIR Tsaralalana teny 67 ha, afakomaly ireo jiolahy telo niaraka tamina vehivavy iray tompon’ antoka tamina fanendahana. Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tamin’io fotoana io, nifanehatra tamin’ireo polisy nanao fisafoana nivoaka avy anaty elakela-trano ireto jiolahy ireto. Lehilahy iray nitondra moto hamonjy fodiana no nosakanan’izy efatra mianadahy […]