Nisento tokana indray ireo mponina ao Toamasina taorian’ny fahafatesan’ireo jiolahy efatra raindahiny, afakomaly. Teo am-panaovana ny asa ratsiny ry zalahy no nifanehatra tamin’ny polisy. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Andranomadio, Toamasina parisela 11/43, afakomaly alina, nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisin’ny Fip notarihan’ny kaomisera Lapely François, sy ireo jiolahy […]
Tranga
Taksiborosy voatafika teny amin’ny RN7: Mpandeha dimy naratra, voaroba ny 4 tapitrisa Ar
Norobain’ny jiolahy maherin’ny folo nitondra basy sy famaky ny taksiborosy iray tao Soanatao, fokontany Ambohimanarivo, kaominina Manandroy, distrikan’Ambohimahasoa, omaly maraina. Taksiborosy mitondra mpandeha avy any Ambovombe Androy nikasa hihazo an’Antananarivo io lasibatra io. Nosakanan’ireo olon-dratsy tamin’ny hazo lehibe teo afoavoan-dalana ny fiara. Novakin’ireo mpandroba ny fitaratry ny fiara. Tsy afa-nihemotra […]
Ankilimalinike : Hiaro ny vahoaka ny « Voromahery »
Handray an-tanana ny fiarovana ny mponina any amin’ny kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II ny «Voromahery ». Antony, manoloana ny korontana nataon’ny andian’olona avy any Tsiafanoke sy Benetse any amin’ny fari-pitrandrahan’ny orinasa Base Toliara. Nijoro ny 20 jolay teo ny vondrona Voromahery, iarahan’ny mponina anaty fokontany 13 sy ny mpitandro filaminana, hitandroana […]
Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy efatra voasambotra teny Ambohimanarina
Ravan’ny zandary eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Efa-dahy niaraka naiditra am-ponja. Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny olon-dratsy roa raha toa ka nalefa ao Antanimora ny roa lahy namany, afakomaly. Mikambana anatin’ny tambajotra mpanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny kaominina Antehiroka, ireo olon-dratsy ireo. […]
Ankadikely Ilafy : Jiolahy roa lahy maty voatifitra
Lavon’ny tifitra tao anatin’ny haizina ny roa lahy mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy, teny Ambonisoa, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly maraina. Naharay angom-baovao ny zandary fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanao fanafihana teny an-toerana. Nanao fisafoana alina ny mpitandro filaminana ka nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nitondra fitaovam-piadiana ireo jiolahy ka nitifitra avy hatrany rehefa nasain’ny […]





