Tranga

Nandroba basy sy grenady: 49 mianadahy naiditra am-ponja

56 mianadahy ny voasaringotra tamin’ny fandorana ny borigadin’Ankazomiriotra. Naiditra vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny 49 mianadahy. Efa nisy basy iray tafaverina. Nitotaly 56 ny olona voasambotra sy nanaovana famotorana momba ny fandorana ny tobin’ny borigadin’ny zandary ao Ankazo­miriotra, distrikan’i Mandoto. Niakatra fampanoavana izy ireo, afakomaly. Vokany, notanana vonjimaika ao amin’ny […]

Ambohimanarina : mpamaky trano roa lahy tra-tehaka

Voasambotry ny polisy ny mpamaky trano roa lahy tao Antanety avaratra Ambohimanarina, omaly. Nitsofoka mangingina tao amina tokantrano iray anatin’io fokontany io izy roa lahy. Tsikaritry ny vaomieran’ny fandriampahalemana izy mirahalahy ireo tamin’ny 2 ora maraina . Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ilay nanatri-maso. Tratra teo am-pikonon­kononana handroba ilay tokantrano […]

Nanolana ny zana-badiny : Raikely naiditra am-ponja

Tratra ilay raikely nahavanon-doza ny 22 febroary teo. Simba tanteraka vokatry ny fanolanana nataon’io lehilahy io ilay ankizivavy 5 taona, tao Mahabe, kaominina Brieville. Nifampitadiavana nanomboka ny faran’ny volana ja­noary teo, tratra ihany ilay raikely nanolana ny zana-badiny tao Mahabe, kaominina Brie­ville, distrikan’i Tsaratanana, ny 22 febroary teo. Niezaka nanafina […]

Vaky fasana : razana 21 voaviraviran’ ny olondratsy

Miseholany ny vaky fasana, lasibatry ny olon-dratsy indray ny fasana iray ao amin’ny fokontany Sadondraza Ambo­hitriombonana, kaominina Fihaonana, afakomaly. Razana miisa 21 noviravirain’ireo tsy mataho-tody. Mpandalo maraina no nahatsikaritra ny fasana efa nisokatra. Niantso ny tompom-pasana sy ny tomponandraikitry ny fokontany avy hatrany izy ireo. Tsy hita tao intsony ny […]