Tranga

Analankinina – Hopitaly Be : Andian-jiolahy diso adiresy teo am-panafihana

Tokantrano iray indray nidiran’ny jiolahy miisa dimy nisaron-tava daholo sady nirongo fitaovam-piadiana tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitaly Be, parisela 12-21/22, kaominina Toamasina, afakomaly. Nisava ny trano sady nitaky vola ireo olon-dratsy rehefa tafiditra. Nanambana basy sy antsy ny tompon-trano ny jiolahy hafa. Nilaza ho tsy nanana sady tsy nampiditra io […]

Avotra teny amin’ny seranan’Ivato : Zaza valo volana hamidy any Gabon

Ravan’ny polisy ny 12 jolay lasa teo, ny tambajotra iray mpanondrana olona mankany ivelany. Avotra teo am-pelatanan’izy ireo ny zaza vao valo volana, saika hamidy any Gabon. Tra-tehaka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny sabotsy lasa teo, ny renim-pianakaviana iray nikasa hitondra zaza ha­midy any Gabon. Nisandoka ho renin’ilay zaza izy […]

Ahina ho nangala-bola: Ankizivavy 13 taona tadiavin’ny ray aman-dreniny

Ankizivavy 13 taona, monina ao amin’ny fokontany Andramasina, kaominina Am­batomanjaka, distrikan’i Mia­rinarivo, karohin’ny ray aman-dreniny nanomboka ny 13 jolay teo. Nametraka fitarainana teny anivon’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Miarinarivo ny rain’io zaza io, ny alahady 13 jolay teo. Nipetraka tamin’ny olona izay fianakavian’izy ireo ihany, tao Miarinarivo ny zanany vavy, […]

Nifanehatra tamin’ny polisy : Mpamaky trano naiditra am-ponja

Nifanena tamin’ny polisy eo anivon’ny CSP 3 nanao fisafoana, mpamaky trano iray voasambotra teny Tsara­honenana, ny zoma 11 jolay teo, tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro. Nampiahiahy ny fihetsik’io lehilahy io satria niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray izy. Nandrasan’ny polisy kendry tohana. Nitondra vilany miisa telo niampy radio iray […]

Efa-bolana nifampitadiavana: Hita ny fatin’i Mahandry, nofongarina omaly ny razana

Izay vao hita! Razana sisa no nofongarin’ny fianakavian’i Mahandry, omaly. Tsy hita ny volana marsa izy, raha nikasa ny handeha hividy vary tany Soavinandriana. Voasambotry ny polisy ireo ahina ho nahavanon-doza. Tsy hita popoka nandritra ny efa-bolana sy tapany i Mahandry. Taolam-balo sisa no hany tafaverina tany amin’ny fianakaviany, omaly. […]