Tsy mifidy hangalarina intsony… ! Koveta, siny, bidao anatazana ranon’olona na papay maniry eo an-tokotany aza lasan-dry zalahy. Izany no nitranga tao amin’ny fokontany maromaro ao Toamasina, omaly. Tsy laitra iainana intsony ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny asan-jiolahy mitam-piadiana raha tsy iresaka intsony ny fanendahana sy halatra isaky ny alina. […]
Tranga
Ampanefy: Jiolahy miisa 10 nandroba tokantrano iray
Ahitana fanafihana mitam-piadiana matetika eny amin’ny distrikan’Antsimondrano tato ho ato. Nidiran’ny jiolahy an-keriny, manodidina ny 10, ny tokantranon’ny vehivavy iray tetsy Malaho, kaominina ambanivohitra Ampanefy, ny alin’ny sabotsy 12 jolay 2025, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina lasa teo. Tsy nisy nisaron-tava ireo olon-dratsy, mbola nirongo fitaovam-piadiana toy […]
Nivadi-pitokisana : Mpanampy nandroba 2 tapitrisa Ar
Mpanampy nangala-bola voasambotry ny zandary tao Ambavahaditokana, distrikan’Atsimondrano, afakomaly. Novakian’ny vehivavy mpanampy an-trano ny efitranon’ny mpampiasa azy ka norobainy ny vola mitetina 2 tapitrisa Ar. Nametrahan’ny tompon-trano fitokisana io vehivavy io. Mivelona amin’ny alalan’ny fanampiana amin’ny fanaovana ny raharaha isan-karazany ao amin’ny mpampiasa azy io mpanampy io. Fantany avokoa, araka […]
Norarana tsy hanambady : Zandary iray mpiana-draharaha nitifi-tena
Maty nitifi-tena ny zandary iray mpiana-draharaha, afakomaly. Voalaza fa noraran’ny ray aman-dreniny tsy hanambady ny olon-tiany izy, raha ny fantatra. Nirefotra ny basy, rotiky ny bala ny vatan’ilay zandary mpiana-draharaha iray, afakomaly maraina. Nitifi-tena tamin’ny basy Kalachnikov teny aminy izy ary namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy. Nahitana […]
Nafenina tanaty fitombenana: Thailandais iray nikasa hanondrana Rubis 59,3 g
Vato sarobidy (rubis) milanja 59,3 grama, tratra tao anaty fitombenana lehilahy thaïlandais iray, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, afakomaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Saika hiondrana tamin’ny fiaramanidina ET852 ho any Addis-Abeba hizotra any Bangkok izy io saingy izao tratra izao. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anatin’ny vatany ambany ny zandary miasa […]





