Maty voatifitra ny jiolahy iray, mpanendaka sy mpampihorohoro eny 67 Ha sy ny manodidina. Tafaporitsaka ka ifampitadiavana ny namany. Nirefotra ny basy ! Lavon’ ny balan’ny polisy avy ao amin’ny CSP7 ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana miharo herisetra eny amin’ny Ravitoto-Baobab ao 67 Ha, omaly vao mangiran-dratsy. Naharay loharanom-baovao marim-pototra […]
Tranga
Tsy fandriampahalemana : feno polisy ny sisin’ arabe ao Toamasina
Tsy andro tsy alina fa saika manemitra ny lalana rehetra hatreny amin’ny lalam-pasika sy elakela-trano manerana ny fokontany maro eto an-drenivohitr’ i Toamasina ny polisy. Ho fanatrarana ny hetsika 100 andron’ny fandriampahalemana ny anton’izany, izay tarihan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Araka ny baikon’ny talem-paritry ny filaminana anatiny, ny kaomisera Rakotovao Jean […]
Vaky fasana: razana iray sisa navelan’ny olon-dratsy
Mirongatra indray ny vaky fasana, tato ho ato, raha somary efa nangingina izany teo aloha. Lasan’ny jiolahy ny razana rehetra tao am-pasana, tamina fasan-drazana iray eny Ambohidava Ambatolampy Tsimahafotsy, afakomaly. Novakin’ireo olon-dratsy ny fasana ka notetezin’ireo ny razana tao am-pasana. Lasan’ireo mpangalatra avokoa ny taolambalo rehetra. Tsy vitan’izay fa naparitak’izy […]
Tsy nety nandray ny rainy: zazakely marary narian- dreniny tao amin’ny hopitaly
Mampivarahontsana ! Izay no azo ilazana ny zava-niseho tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, omaly. Zazakely menavava antsoina hoe Tafitasoa Angelico, vao iray volana monja no narian-dreniny (avy any Ambositra) tao amin’ny efitra fidiovana. Raha ny fampitam-baovao, tsy salama io zazakely io ka nentina tao amin’ny dokotera misahana manokana ny fitsaboana zazakely […]
Fahafatesana hafahafa : tovovavy maty nihantona tao an-tranony
Maty nihantona tao an-tranony i Marinah, vehivavy 20 taona, afakomaly maraina. Ahina ho namono tena noho ny famoizam-po izy. Nifatotra tady teo amin’ny tendany. Hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany ny tovovavy iray 20 taona, omaly. Monina ao Tsararano ambany, Mahajanga izy. Vao afaka bakalorea ny taon-dasa, araka ny […]