Ahina ho namono nahafaty ny zanaka naterany vao amam-bolana monja, notanan’ny zandary ny renim-pianakaviana, teny Andoharanofotsy, afakomaly. Nosamborin’ny zandary ny renim-pianakaviana ahina ho namono nahafaty an-janany lahy vao roa volana monja tao amin’ny fokontany Soarindra, fokontany Morarano, kaominina Andoharanofotsy, ny 22 jona teo. Olon-tsotra teny amin’ny manodidina no nahita zaza […]
Tranga
Analamahitsy: mpanao sinto-mahery voasambotry ny polisy
Nenjehin’ny polisy ny lehilahy mpanao sinto-mahery iray teo Analamahitsy, boriborintany fahadimy, omaly atoandro. Nosintomin’io olon-dratsy io ny poketra an’ny renim-pianakaviana iray teny an-toerana, tamin’ny 12 ora sy sasany. Niantso vonjy tamin’ny manodidina ny lasibatra. Ren’ny mpitandro filaminana izay nanao fanamiana sivily io hikiaka nataon’ny manodidina io. Nenjehiny avy hatrany ilay […]
Anosizato Atsinanana II: trano fitoeran’entana may kilan’ny afo
May kilan’ny afo ny trano lehibe fitoerana entan’ny mpamongady friperie iray etsy Anosizato Atsinanana II, afakomaly alina tamin’ny 11 ora latsaka fahefany. May kilan’ny afo tao ny entana rehetra sy fiara telo teo an-tokotany. Nahitana fiara fitateran’entana sy fiara taxi-be ary fiara kely an’olon-tsotra naka niantsona tao. Tsy mbola maty […]
Anosiavaratra: mpitondra moto maty tsy tra-drano
Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto scooter iray tra-doza teny Anosiavaratra, ny harivan’ny alahady teo, tamin’ny 6 ora sy sasany. Nentina namonjy hopitaly ny namany. Namoy ny ainy teo no ho eo ny mpitondra moto scooter marika “Glide” niloko mena, teny amin’ny lalam-pirenena fahatelo, teo Anosiavaratra, distrikan’Avaradrano, afakomaly. Nandeha mafy […]
Ambohidrapeto: telo lahy mpandroba taxi-moto tratra
Tratra teny Ambohidrapeto niaraka tamin’ny saron-tava sy moto fampiasany manao asa ratsy ny telo lahy mpandroba taxi-moto, afakomaly. Norebireben’ny telo lahy ny mpanao taxi moto iray ka nanaiky hitondra olona hihazo an’Ambohidrapeto. Mitetina 15 000 Ar no nifanarahan’izy ireo ho saran-dalana. Nanaraka tamin’ny moto hafa ireo roa lahy naman’ilay nentina […]





