Tranga

Raharaha vonoan’olona tao Vatomandry : Lehilahy iray voaheloka mandra-pahafaty

Notsaraina tao amin’ny efitrano fitsarana ambony, sampana ady heloka bevava, ny talata teo, ny antontan-taratasin’ady lah 61 – Toa / 25 mahakasika ny raharaha ady lova nitarika famonoan’olona, ny 04 febroary 2024, tao Bemasoandro,Vatomandry. Naharitra ora enina. Niantomboka tamin’ny 9 ora maraina, tsy nifarana raha tsy tamin’ny 3 ora tolakandro, […]

Kolikoly ara-nofo : Migadra 2 taona ilay mpampianatra

Voasazy higadra roa taona an-tranomaizina ilay mpampianatra voatonontonona tamin’ny fanaovana kolikoly ara-nofo tamin’ny mpianatra iray tany Mahajanga. Taorian’ny fiakarany fitsarana teo anivon’ny Pôle anti-corruption (Pac) tany Mahajan­ga, afakomaly. Ankoatra ny sazy miandry azy, naato mandritra ny fotoana voafetra amin’ny asa iandraketany eo amin’ny asam-panjakana ihany koa izy. Mpampianatra iray any […]

Fitiavan-karena tafahoatra : Lehilahy namono ny rahalahiny naiditra am-ponja

Notanana vonjimaika any am-ponja, miandry ny fitsarana azy, ny lehilahy iray namono ny rahalahiny, omaly. Omby telo avy amin’ny rainy no niantombohan’ny adin’izy mirahalahy. Niakatra fampanoavana, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray namono ny zokiny lahy, tao Sahanivotry, kaominina Antsirabe. Nitrangana vonoan’olona tao amin’io ta­nàna io, ny alin’ny […]

Anosizato : Tovolahy iray hita faty tao anatin’ny ranon’Ikopa

Tovolahy manodidina ny 15 taona, hita faty tao anaty rano teny amin’ny reniranon’Ikopa, Anosizato, omaly atoandro tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany. Mpanarato eny an-toerana no nahita olona nisaringotra tamin’ny harato. “Olona telo no nifarimbona nisokitra azy sy nampiakatra azy avy ao anaty rano tamin’izany”, hoy ireo nanatri-maso. Raha […]

Fahamaizana : Trano sivy hotohoton’ny afo

Kilan’ny afo ny trano lehibe iray niampy trano hafa miisa valo tao Toamasina Renivohitra, omaly hariva tamin’ny 5 ora. Niainga tao amin’ny trano iray amin’ireo fivarotana zava-pisotro mahamamo manamorina ny ranomasina ny firehetana. Niitatra ny afo avy eo. Nifanampy tamin’ny fifehezana ny loza ny mpiara-monina. Nigadona teny an-toerana rahateo ny […]