Nahitana vatana mangatsiakana raim-pianakaviana iray 53 taona, tetsy Andranonomby, kaominina Ambohimalaza, ny zoma tamin’ny 6 ora sy sasany hariva lasa teo. Efa niala tamin’ny vatany ny lohany sy ny tanany ary ny tongony. Ankizy kely nilalao teny amin’ny manodidina no nahita io faty niparitaka teny an-toerana io ka niantso ny […]
Tranga
Ambodiafontsy : Mpitondra moto maty tsy tra-drano
Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny mpitondra moto iray, tetsy Ambodiafontsy, ny zoma tamin’ny 8 ora alina lasa teo. Nifandona tamin’ny fiara sprinter iray avy any Anosizato hihazo an’i Fenoarivo izy tamin’izany ka nitarika ny fahafatesany. Raha toa ka hihazo an’Anosizato avy any Fenoarivo kosa ilay mpitondra moto. Nitranga […]
Tsatok’antsy namoizana aina : Tratra ireo roa lahy namono an’i Tahina
Mpamerin-keloka avokoa ireo roa lahy namono nahafaty olona tao Toamasina. Voasambotra taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana izy roa lahy nahavanon-doza. Tsy naharitra ela fa ny alarobia 13 marsa no voasambotra tao Antsarakofafa i Abadalh Jhaylan, 21 taona, iray tamin’ ireo jiolahy nahavanon-doza, nanatombok’ antsy namono nahafaty an-dRandriamahefa Tahina, tovolahy […]
Voasaringotra tamin’ny vono olona: Zandary nidoboka am-ponja
Manao ranolava ny fampidirana am-ponja zandary tato ho ato. Zandary girady G1C, misahana asa eo anivon’ny faritra Atsinanana, voarohirohy tamina raharaha fanafihana mitam-piadiana nahafatesan’olona sy fanaovana hosoka ary fisolokiana an-tambajotram-pifandraisana, ny 12 marsa teo. Niainga tamin’ny fanadihadiana, renim-pianakaviana 53 taona namoy ny ainy ny 29 oktobra 2024, tao Antanambao faharoa- […]
NAMONO ZANAKA : Vehivavy niharan’ny fitsaram-bahoaka
Zazavavy 6 taona maty novoin-dreniny tao Ambalasoa, fokontany Antanety, kaominina Antsirabe, afakomaly hariva. Manan-janaka roa io ramatoa io. 6 taona ilay zokiny raha toa ka vao 5 volana ny zandriny. Efa nodimandry ny vadiny ka mitaiza irery ireo zanany ireo io renim-pianakaviana io. “Vao dimy volana an-kibo ilay zaza no […]




