Lehilahy 27 taona tratra namaky tranon’olona iray teny amin’ny kartie Jirama, fokontany Antanety II, kaominina Ambanivohitra Alakamisy Fenoarivo, afakomaly alina tamin’ny 9 ora. Notapahiny ny «grille de protéction» ary niditra tao an-trano. Nikasa hangalatra entana sarobidy sy lafo vidy tao anatiny ity farany. Tsy misy olona mipetraka ao anatiny ary […]
Tranga
Nifandona tamin’ny dahalo : Mpanara-dia iray namoy ny ainy, telo naratra
Maty voatifitry ny dahalo ny mpanaradia taorian’ny fifandonana tao Ankaditapaka, fokontany Mahazoarivo, kaominina Belobaka, afakomaly. Omby efatra norobain’ny dahalo telo lahy izay samy nitam-basy, tao an-toerana, tamin’ny 11 ora alina. Nianavaratra ireo mpandroba ka nanara-dia ny vatan-dehilahy tao an-tanàna. Nirefodrefotra ny basy tamin’ny 2 ora maraina. Lavon’ireo tsy valahara tamin’izany […]
Mpanakalo vola vahiny etsy Analakely : Roa lahy mpisoloky naiditra eny Antanimora
Voasambotra teny Andranomanalina ny iray tamin’ireo mpisoloky mpanakalo vola eo Analakely. Naka volan’olona mitetina 4 000 euros izy ireo ka tratra ary naiditra any Antanimora, afakomaly. Roa lahy nisandoka vola vahiny 4 000 euros izay mitetina 20 780 000 Ar, nalefa eny Antanimora miandry ny fitsarana azy, afakomaly. Mpanakalo vola […]
Filoha Rajoelina Andry: “Valifatin’ny mpihavana ilay teny Imerinkasinina”
Nitondra fanazavana momba ny raharaham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’izany ilay raharaha fanapoizinana nahafatesana olona 20 sy ny olan’ny Jirama ary ny fanamarihana ny fetin’ny 26 jona. Nambarany tamin’izany fa tsy maintsy ho hita ny marina amin’io Raharaha fanapoizinana nahafatesana olona io. Notantarain’ny filoha antsipiriany ny fizotry ny raharaha. “Efa […]
Nanisana : Kilan’ny afo ny lakozia an’ilay trano lehibe
Voafehin’ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina ara-potoana ny haintrano niseho teny Nanisana, Boriborintany fahadimy, omaly atoandro. Naharay fampahafantarana ny lehiben’io sampana io, tamin’ny 11 ora sy 43 minitra, ka nahetsika avy hatrany ny mpamonjy voina ao Andravoahangy. Minitra vitsy taorian’io, nigadona teny amin’ny toerana nisian’ny firehetana izy ireo. “Ny rihana fahatelo […]





