Tranga

Nisoloky Cash point : roa vavy voasambotra

Nikasa hisoloky vola 800 000 Ar tamina Cash point, vehivavy roa tratran’ny fokonolona tetsy Antaninarenina, omaly. Nanatona kioska fandefasam-bola izy roa vavy. Handefa vola mitetina 200 000 Ar isanisany ho an’ny sefo fokontany maromaro ireto vehivavy ireto, araka ny fifanarahany tamin’ny mpampiasa azy. Efa nisy ny sora-bola, araka izany, anaty findain’izy ireo […]

Lozam-pifamoivoizana: Iray maty, 10 naratra mafy teny Mandraka

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray teny lalam-baovao Tsarasaotra, omaly. Tovolahy iray 18 taona nazeran’ny moto ka nifatratra tany ambany kamiaobe. Olona iray hafa koa namoy ny ainy tao Mandraka raha 10 naratra mafy. Nandriaka ny ra ! Maty tsy tra-drano ilay tovolahy 18 taona mbola mpianatra tratran’ny lozam-pifamoivoizana teny Lalam-baovao, omaly […]

Toamasina : mpanendaka roa lahy voasambotra

Mpanendaka roa lahy saron’ ny polisy ao amin’ny DRSP Atsinanana, tao Morarano, Toamasina, omaly. Niandry mpandalo amin’ny alina teny amin’ny toerana fanaovany ny asa ratsiny izy ireo, nifanehatra tampoka tamin’ny polisy nanao fisafoana alina. Niezaka handositra ireto farany vantany nahatazana ny mpitandro filaminana. Tratra tsy lavitry ny trano fisotroana iray […]

Andralanitra : dimy lahy tratra nivarotra rongony

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny poste avancé Andralanitra (PPA), ny zoma teo, ireo dimy lahy voarohirohy manao asa fivarotana rongony amin’ny mpianatra. Maro ny fitarainana voarain’ny tomponandraikitra eny anivon’ny sekoly ao Andralanitra noho ny fisian’ireo andian-jatovo mivarotra zava-mahadomelina manodidina ny toeram-pianarana. Nanamafy izany rahateo koa ny antso nataon’ireo ray […]

Anjoma – Fianarantsoa: Cash point voatafika, olona telo naratra

Olona telo naratra vokatry ny fanafihan-jiolahy tao Anjo­ma Fianarantsoa, omaly tamin’ny 7 ora sy 30 minitra maraina. Mpanao Cash point iray no niharan’ny fanafihana ka lasan’ireo mpanafika, tamin’izany, ny volabe teny aminy. Teo akaikin’ny toerana fivarotana akoho ao an-tsenan’An­joma no nitranga ny fanafihana. Jiolahy telo (nanao arovava ny roa) niaraka […]