Tranga

Fikambanan-jiolahy Hobo: roa lahy tratran’ ny polisy

Tratran’ny polisin’ny Sut Toamasina ny lehilahy roa mpikambana ao amin’ilay fikambanan-jiolahy Hobo, afakomaly alina. Teny akaikin’ny kianja Mangarano izy ireo no nifanehatra tamin’ny polisy raha nanendaka sady nanao herisetra. Mirongatra ny fanendahana, manao ny ataony ireto jiolahy mivondrona ao anatin’io fikambanana io. Nandray ny andraikiny ny polisy nanao ny fikarohana […]

Fifandonana mahery vaika : lietnà iray maty voatifitra

Maty voatifitra, nandritra ny fanarahan-dia, ny zandary lietnà iray, omaly, tao Marofototra, Maevatanana. Lavon’ny balan’ny jiolahy koa ny sivily iray niaraka taminy. Namoy ny ainy vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo ny zandary, lefitry ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra ao Maeva­ta­nana, omaly. Nanafika tao amin’ny tanànan’i Sarodrano, fokontany Marofototra, kaominina Maevatanana II, ny […]

Antehiroka : lehilahy iray hita faty tao anaty tanimbary

Nahitana fatin-dehilahy iray tao an-tanimbary anatin’ny fokontany Ankadivory, kaominina ambanivohitra Antehi­roka, distrikan’Ambohi­dra­tri­mo, omaly maraina. Nam­pandre ny vaovao tany amin’ny polisy miasa eny an-toerana avy hatrany ny sefo fokontany, fa misy lehilahy iray tsy nisy aina intsony, natsingevan’ny rano teny amin’io an-tanimbary io. Nidina nijery ny zava-nisy avy hatrany ny polisy, […]

Mahamasina : tovolahy maty notrongisin’ny taxi-be

Ninia nohitsahina! Tapi­tra ny ain’ny lehilahy iray nitondra moto no­trongisin’ny mpamily taxi-be 154, afakomaly alina. Nien­daka ny hoditra, rovitry ny arabe ny ilam-batan’ny mpitondra moto iray tetsy amin’ny “Bazar de quartier”  Maha­masina, ny harivan’ny sabotsy 20 janoary teo. Notaritaritin’ ilay taxi-be niala 200 metatra ny toerana nijanonany io lehilahy io. […]