Tranga

Jiolahy mahery vaika : sivy mianaka maty voatifitra

80 lahy nanafika tanàna tao Mandrosonoro. Nirefodrefotra ny basy, afakomaly. Voaroba ny fianakaviana iray. Raikitra ny fanarahan-dia. Sivily sivy mianaka matin’ny jiolahy. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontanin’i Belavenona, kaominina Mandrosonoro, afakomaly ma­raina tamin’ny 4 ora. Ni­tam-piadiana ireo dahalo nanao be miditra tao an-tanana. Niharan’ny habibiana avy hatrany ny raim-pianakaviana […]

Sahamatevina Vatomandry : telo lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tao Andasiben’ Antsampanana, omaly, ary maty tamin’ izany ny dahalo telo lahy izay avy any Mandoto, distrikan’ Antsirabe, sy Antananarivo, raha ny angom-baovao avy any Sahamatevina. Nandritra ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny ben’ny Tanànan’ i Sahamatevina, Radimby Voro Dénis, no nambarany fa andian-jiolahy maromaro izy ireo ary […]

Andohanilakaka : amidin’ireo olon-dratsy 100 tapitrisa Ar ny voamaso

Tra-tehaky ny polisim-pirenena tao Andohanilakaka ny dimy lahy nivarotra voamaso, afakomaly. “Amidin’ireo olon-dratsy 100 tapitrisa ha­tramin’ny 120 tapitrisa Ar ny voasamaso, araka ny fanadihadiana natao azy”, hoy ny fanazavan’ny Talem-paritry ny polisim-pirenena Ihosy, omaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa misy olona mitady mpividy voamaso tao amin’ny tanànan’Ana­la­mahavelona, […]

Naratra ireo mpiambina…: fiarabe mpitondra vola nivadika tao Vohipeno

Nivadika tampoka teny am-pandehanana ny fiarabe mpitondra vola, an’ny orinasa Brink’s, afakomaly, tao Vohi­peno. Avy any Vangaindrano handeha hihazo an’i Mana­kara ity fiarabe ity no tra-doza tampoka. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka nivoaka ny lalana ilay fiarabe. Naratra avokoa ireo […]