Tranga

Fanodinkodinam-bola: Lehiben’ny faritra teo aloha nigadra

Naiditra am-ponja ny lehiben’ny faritra Ihorombe teo aloha sy ireo olona efatra hafa niara-nitantana taminy, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany, ny mpitambola teo aloha sy ny mpitambola ankehitriny, ny mpanara-maso ny faritra ary ny mpanampy azy amin’ny fitantanam-bola. Voarohirohy noho ny fanodinkodinam-bolam-panjakana ny antony anenjehana azy ireo, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Bianco. […]

Very ny basiny : Zandary maty nofiraina famaky tao amin’ny hatony

Mirongatra ny asan-jiolahy, zandary iray kilasy ambony no maty novoinin’ny jiolahy tamin’ny famaky tany Imanombo, omaly. Lasan’ireo olon-dratsy ny basy teny aminy. Zandary kilasy ambony iray, antsoina hoe Rako­toky Fahamaro, hita faty teo anelanelan’ny fokontany Betsiriry sy Imanombo, ao anatin’ny kaominina Ima­no­m­bo, distrikan’Antanimora Atsi­mo, faritra Androy, omaly tamin’ny 5 ora […]

Niharan’ny fanolanana : Vehivavy bevohoka hita faty niboridana

Hatairana ny an’ny fokonolona raha nahita fatim-behivavy iray tokony ho 45 taona, nisy nanipy tamina kirihitr’ala ao Ambodiantafana RN 5, omaly maraina. Tsy lavitra ny arabe no nahitana ny fatiny, akaikin’ny toeram-pivarotana hanimasaka sy voandalana ho an’ireo olona mifamezivezy amin’iny lalana iny. Tonga teny an-toerana nanao fizahana ny razana ny dokotera […]

Nirefodrefotra ny basy : Jiolahy roa maty voatifitra teny Andohatapenaka

Nifanenjehana teny Ampasika sy Andohatapenaka ry Ramahagaga sy ny tariny, omaly hariva. Vokany, roa no maty voatifitry ny polisy. Ny iray azo sambo-belona. Jiolahy roa lavon’ny balan’ ny polisim-pirenena avy amin’ny Fip, omaly, tetsy Andohatapenaka, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Iray hafa azo sambo-belona. Niafina ora maro tao anaty […]