Tranga

Asa ratsy eto Antananarivo : Lehilahy roa tratra nangalatra sy namaky trano

Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena teo am-pangalarana sy famakiana trano teto an-drenivohitra, afakomaly. Nikasa hangalatra moto tetsy Tsimbazaza ny iray, namaky trano tetsy Ambodihady kosa ny faharoa. Mbola mitohy hatrany ny asa ratsy fangalarana sy famakiana trano ataon’ny olon-dratsy eto Anta­nanarivo, na dia efa maro aza ny ezaka ataon’ny mpitandro […]

Fetin’ny fahaleovantena: Hiavaka ny fankalazana

Tsy hitovy amin’ny mahazatra isan-taona fa hiavaka tanteraka ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena 2025. Maro ny hetsika iarahan’ny governemanta manantateraka manerana ny Nosy. “Ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena dia hatao eny amin’ny tokotaniben’ny Lapan’ ny Tanàna, Antananarivo Re­ni­vohitra, Analakely, amin’ny 2 jona ho […]

Teo an-tokotanim-piangonana : Hita tany anaty ala ilay moto nisy nangalatra

Mirongatra ny halatra fiara sy moto amin’izao fotoana izao. Moto scooter BWS iray indray nisy nangalatra teo an-tokotanim-piangonana eny Talata Volonondry, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Napetraky ny tompony vetivety teo an-tokotanin’ny fiangonana iray eny an-toerana ny moto fa hiditra anaty sekoly izy, tamin’io fotoana io. Tsy teo intsony anefa […]

Haintrano tetsy Tsarahonenana : Raim-pianakaviana maty kilan’ny afo

Namoizana ain’olona ny haintrano nitranga tetsy amin’ny fokontany Tsarahonenana, omaly maraina. Tokantrano 12 lasibatra. Raim-pianakaviana 75 taona namoy ny ainy, hotohoton’ny afo tao amin’ny trano fonenany, tao amin’ny fokontany Tsaraho­nenana, boriborintany fahadimy, omaly maraina. Niainga tamin’ny tsena fivarotan-kazo iray ny firehetana. “Niainga avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra ny afo, tokony ho […]