Naratra mafy voatsatok’antsy teo amin’ny kibony ny raim-pianakaviana iray 45 taona, teny Andavamamba, omaly vao maraina. Handeha hiasa any Tanjombato izy no nosakanan’ny jiolahy telo, teo amin’ny lalana mihazo an’Ilanivato Anosipatrana. Araka ny fanazavany teny amin’ny hopitaly, saika hangalatra ny moto nentiny ireo jiolahy, saingy niezaka nanohitra izy ka tsy […]
Tranga
Haintrano tao Tanjombato: telo mianadahy maty kilan’ny afo
Zaza telo, zanak’olona mpianadahy niara-maty vokatry ny haintrano tetsy Tanjombato, afakomaly. Mbola nialana nenina ny iray saingy namoy ny ainy omaly maraina nanaraka ireo zokiny roa. Indray mipi-maso! Kilan’ny afo ny zaza telo mianadahy, telo taona ny roa lahy ary 5 taona ilay vavy, tao Ambany Andrefana, anatin’ny fokontany Tanjombato, […]
Trano iray inefatra vaky… Voatifitry ny zandary Ratsoa
Tsy tao an-trano ny tompon-trano ka nanararaotra nikasa hamaky ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Ratsoa. Maty voatifitra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy, omaly, tao Amboromanina fokontany Andranovao, kaominina ambanivohitr’ Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano. Nisy nahatsikaritra ity jiolahy ity niditra tao an-tranon’olona ka niantso ny zandary ao amin’ny […]
Nirahina hividy menaka : ankizy 14 taona niharan’ny fanolanana
Lehilahy 29 taona nanolan-jaza nosamborin’ny mpitandro filaminana. Nitantara ny nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny ny ankizivavy iray 14 taona, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Fidirana, distrikan’ i Mandoto, ny harivan’ny 9 janoary teo. Nirahan-dreniny hividy menaka atao amin’ny sakafo io ankizy io, tamin’ny 6 ora hariva. Nifanena lehilahy monina tsy lavitra […]
Nanendaka teny Anosibe: Jiolahy roa matin’ny polisy
Maty voatifitry ny polisy tanaty elakela-trano iray eny Anosibe, omaly, ireo mpanendaka roa lahy mpampihorohoro ny mponina. Nahitana fitaovam-piadiana tany amin’izy ireo. Mafy ny fifandonana teo amin’ny polisin’ny UIR sy ny jiolahy teny Anosibe akaikin’ny tsena, omaly vao maraina. Maty rotiky ny balan’ny polisy raha nikasa hanohitra ny mpisambotra azy […]